• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rohy
Image
Vaovao

Fitantanana ny faritr’ala : Manao antso avo, mba hiarovana ny zon’ny VOI, ny firaisamonim-pirenena

04/10/2024 11:39 © Moov.Mg

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fitantanana ireo faritra arovana sy ireo ala eto Madagasikara ny fikambanana isan-tsokajiny sy ny Vondron’Olona Ifotony (VOI). Rehefa tojo olana eo amin’ny lafiny fananan-tany anefa izy ireny dia marefo ihany, araka ny fanambarana navoakan’ny firaisamonim-pirenena omaly, manoloana ny tranga misy eo amin’ny fitantanana ny ala eny Tsiazompaniry, Distrikan’Andramasina.

Hivoaka amin’ny 8 ôktôbra 2024 izao ny didy, eo anivon’ny Fitsarana Mpandrava Didy, momba ity raharaha ity, izay mampifanolana ny olon-tsotra iray amin’ny fikambanana TSARAFARA, izay VOI mitantana ity faritr’ala ity. Manahy ireo firaisamonim-pirenena nanao sonia ny fanambarana, sao ho very ny zon’ireo mpiaro ny tontolo iainana ireo, ao anatin’ity raharaha izay sokajian’izy ireo ho “fakana tany an-keriny” ity, antony namoahan’izy ireo ny fanambarana, miampy fampahatsiahivana ny fizotran’ny raharaha sy fanehoana fanohanana ny fikambanana TSARAFARA ihany koa.

Fifanarahana famindram-pitantanana

Notsiahivin’ny Firaisamonimpirenena ary fa ny fikambanana TSARAFARA, izay VOI mitantana ala eny Tsiazompaniry, dia afaka nitazona izany andraikitra izany, avy amin’ny alalan’ny fifanarahana famindram-pitantanana miaraka amin’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny ala. Araka ny fanazavana, ny 9 martsa 2004 no nanatanterahana ny fifanarahana famindram-pitantanana ny ala Analatsarafara, izay ahitana ny sombin-tany Andriankely. Ny Ministeran’ny Rano sy ny Ala tamin’izany fotoana, nosoloin’ny Fitaleavam-paritry ny Rano sy ny Ala tany an-toerana, no nanasonia ny famindram-pitantanana, niaraka tamin’ny Fikambanana TSARAFARA, ao amin’ny Fokontany Manandriana, Kaominina Ambohimiadana, Distrikan’Andramasina. Navaozina ny 23 novambra 2010 io fifanarahana io, rehefa vita ny tombana, ka nahazoan’ny Fikambanana TSARAFARA fe-potoana 10 taona fanampiny. Mbola navaozina indray izany ny 21 desambra 2021, ho an’ny fe-potoana 10 taona vaovao indray. Tsy nisy fanoherana voarakitra an-tsoratra nandritra ireo dingana ireo, raha tsy nanomboka ny volana jona 2019, izay fametrahana fitoriana teo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany tany Ambatolampy. Izany fitoriana izany dia mangataka ny hanalan’olo-tsora irany ny Fikambanana TSARAFARA eo amin’io tany nahazoana famindram-pitantanana io.


Copyright Image : © Fondation Tany Meva

Miantoka ny rano sotroin’Antananarivo

Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, dia hitan’ny Fitsarana tao Ambatolampy fa tsy tafiditra ao anatin’ny faritra tantanan’ny VOI TSARAFARA ny tany nambaran’ila olon-tsotra mpitory fa azy. Nahazo rariny, araka izany ny fikambanana, saingy nampiakatra ny raharaha tamin’ny Fitsarana Ambony Antananarivo ny mpitory. Nivoaka ny didy, ny 17 aogositra 2022, izay nanome baiko ny Fikambanana TSARAFARA mba hiala amin’ny faritra tantanany sy handoa onitra mitentina 10 000 000 Ariary ho an’ny mpitory. Nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny Fitsarana Fandravana Didy indray ny fikambanana TSARAFARA tamin’ny 22 novambra 2022, narahan’ny « Cantonnement des Eaux et Forêts » izay nametraka fitarainana tamin’ny volana jona 2023, mba handravana io didin’ny Fitsarana Ambony io. Andrasana hivoaka ny 8 ôktobra 2024 ny fanahapan-kevitra momba io raharaha io. Araka ny fanazavana hatrany dia nahazo famatsiam-bola maro ny fikambanana TSARAFARA, nahafahan’izy ireo niaro sy nanatsara io ala arovana io, izay isan’ny faritr’ala miantoka ny rano sotroin’Antananarivo. Isan’ny nanohana azy ireo tamin’izany ny Fondation Tany Meva.


Copyright Image : © Fondation Tany Meva

Fitantanana ireo harena voajanahary

Hisy akony eo amin’ny zon’ny fikambanana TSARAFARA sy ny ezaka ataon’ireo VOI manerana an’i Madagasikara, izay mpandray anjara manan-danja amin’ny fitantanana ireo harena voajanahary eto amintsika, ny didy hivoaka eo anivon’ny Fitsarana Mpandrava Didy. Izany indrindra no mahatonga ny firaisamonim-pirenena, toy ny ROHY, Alliance Voahary Gasy (AVG), Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF), MSIS-Tatao… hangataka ny Fitsarana mba hanome rariny ny fangatahan’ny VOI TSARAFARA sy ny « Cantonnement des Eaux et Forêts » Andramasina. Mampahatsiahy ireo sampandraharaham-panjakana misahana ny fananan-tany ihany koa ny firaisamonim-pirenena, fa ilaina ny fiarovana ireo tany misy famindram-pitantanana omena ny VOI, mba hisorohana ny fakana tany an-keriny. Ilaina tahaka izany ihany koa, hoy izy ireo, ny fandaniana ny lalàna momba ireo tany manana sata manokana, ahitana ny famindram-pitantanana, ny faritra arovana, ny faritra fambolen-kazo… araky ny hevitry ny andininy faha-38 an’ny lalàna 2005-019 mametraka ny satan’ny tany.



Lire la suite

Articles Similaires