• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua (Archive)
Image
Vaovao

Antananarivo : Miomana amin’ny fotoam-pahavaratra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra

04/10/2024 09:46 © Moov

Natomboka omaly tetsy Anosibe ao anatin’ny boriborintany fahaefatra ny fanadiovana ny tatatra ho an’ireo boriborintany miisa enina eto Antananarivo Renivohitra. Tafiditra ao anatin’ny fitsinjovana sahady ny fotoam-pahavaratra ho avy izany asa izany. Natao indrindra ihany koa hanalefahana ny vesatry ny fahasahiranana raha sendra misy ny tondra-drano.

Tatatra mirefy 1 400 metatra

Ny fako plastika matetika no tena manentsina ny tatatra ka mampihandrona ny rano ary mahatonga any amin’ny fiakaran’ity farany rehefa fotoan’ny orana. Izany indrindra no nandraisana ity fanapahan-kevitra mialoha ity izay entina hanadiovana ny tatatra mba hampikoriana tsara ny rano. Ity eo Anosibe ity no nanombohana ny fanadiovana ary mirefy 1km sy 400 metatra izany. Nanamarika ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala fa haharitra 20 andro io fanadiovana eo Anosibe io ary mpiasa hatramin’ny 30 kosa no mandray anjara amin’izany. Efa voalamina kosa ny fiaraha-miasa amin’ny orinasan’ny kaominina. « Tsy havela eo ny fako fa miara-miasa amin’ny SMA ny Kaominina amin’ny fitaomana ny loto isaky ny hariva », hoy hatrany ny PDS tamin’ny fanazavana. Etsy andaniny moa dia efa miainga ihany koa ny fanadiovana eny amin’ny Boriborintany dimy hafa satria ho diovina avokoa ny manerana ny boriborintany miisa enina.

APIPA

Nitovy fijery tao anatin’izany asa atao mialoha izany ihany koa ny APIPA na ny « Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo ». Efa hatramin’ny volana mey izay no nanombohan’izy ireo ny asa fanadiovana ireny tatatra ireny. Eo amin’ny lakandrano Andriantany Aval faritra Ampefiloha amin’izao ny asan’izy ireo no mandeha. Miasa andro sy alina izy ireo ao anatin’izany. Raha toa ka isanandro ny fanatanterahana ny asa fanadiovana ny lakandranon’Antananarivo amin’ny atoandro, dia tanterahina in-droa isan-kerinandro kosa izany ho an’ny asa mandritran’ny alina ka ny Talata sy Alakamisy no fanatanterahina izany. Etsy andaniny dia mbola manamafy ny fanentanana ireto sampana roa samihafa ireto ny amin’ny fanariana ny fako eny amin’ny toerana voatokana ho amin’izany irery ihany.

Lire la suite

Articles Similaires