• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Csi
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolikoly : Miroso ny dingana fandrafetana ny paikadim-pirenena, tanterahan’ny CSI

03/10/2024 18:49 © Moov.Mg

Saika ahitana trangana kolikoly avokoa ireo sehatra rehetra eto Madagasikara, fa indrindra ny momba ny fananan-tany sy ny Fitsarana. Eo am-pamolavolana ny paikadim-pirenena vaovao hiadiana amin’ny kolikoly, ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana (CSI).

Fakan-kevitra isam-paritra

Laharana faha-145 amin’ireo firenena 180 i Madagasikara, ho an’ny taona 2023, araka ny tatitra IPC farany navoakan’ny Transparency Internantional Initiative Madagascar, raha ny momba ny kolikoly no asian-dresaka. Midika izany fa mbola manjaka eto amintsika ny kolikoly, ka mila apetraka mazava ny paikady entina miady aminy. Efa nisy ireo fakan-kevitra natao isam-paritra, mba hahalalana ireo tena maharary ny vahoaka eny ifotony, eo anatrehan’ireo trangana kolikoly misy, araka ny fanazavan’ny filohan’ny CSI, Rabenarivo Sahondra. Ny tena nitarainan’ny rehetra isam-paritra, dia ny kolikoly eo amin’ny lafiny fananan-tany, araka ny nambarany. Tsikaritra ihany koa, fa mbola misy ireo sakana isan-karazany, mahatonga ny tsy fahombiazan’ny fanasaziana ireo izay tratra manao kolikoly. Santionany ihany ireo, fa maro ireo lohahevitra nivoitra nandritra ny fakan-kevitra isam-paritra, no hanokanana andro manokana handinihana azy, ao anatin’ny atrikasa izay hotanterahina eo anelaneln’ny 9 ôktôbra hatramin’ny 23 ôktôbra 2024.

Paikady 5 taona

Ireo atrikasa marobe, hotanterahina saika isan’andro, mandritra ny volana ôktôbra ireo, no dingana manaraka amin’ny famolavolana ny ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly. Aorian’izay dia hiroso amin’ny fandrafetana ny andinindininy rehetra ireo tomponandraikitra voakasika. Ho voasoratra mazava ao anatin’izany ny paikady, ny fomba hanatanterahana azy, ny olona hanatanteraka azy, ny teti-bola… Kendrena hotanterahina mandritra ny 5 taona izany paikady izany, manomboka ny taona 2025 hatramin’ny taona 2030. Nambaran-drtoa Rabenarivo Sahondra, fa mandritra ny fe-potona hanatanterahana ity paikady ity, dia hisy hatrany ny tatitra hatao amin’ny vahoaka malagasy, hanombanana ny zava-bita sy izay tsy tanteraka, araka ny nifanarahana.

Lire la suite

Articles Similaires