• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fampitaovana : Notolorana fitaovana samihafa ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo

03/10/2024 16:45 © Moov

Nahazo fampitaovana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny Sampana mpamonjy voina eto Antananarivo. Notolorana azy ireo androany izany. Natao indrindra io fanampiana ara-pitaovana io mba hahafahan’ireto rafitra ireto manatsara sy manafaingana ny asa famonjeny ny mpiray tanindrazana aminy. Samy hahazo avy amin’izany avokoa ireo mpamonjy voina avy amin’ny toby miisa dimy misy eto Antananarivo.

Fanamiana sy fiarovan-tena

An’arivony izany fampitaovana nozaraina izany. Ao anatiny ny « équipement de protection individuelle » na ny EPI natao indrindra hanamafisana ny fiarovan-tenan’ireo mpamonjy voina eny am-panatanterahana ny asany. Nanampy izany ihany koa ireo fanamiana aman’arivony hozaraina ho azy ireo. Nanamarika moa ireto mpamonjy voina ireto fa anisan’ny zava-dehibe amin’izy ireo ny fahazoana izany EPI izany raha ny hamafin’ny asa amin’izao fotoana izao. « Miisa 2 na 3 isan’andro eo ny hain-trano na doro tanety novonjena tao anatin’ny telo volana farany. Nahitana fitomboany izany raha oharina amin’ny tamin’ny taona 2022 sy 2023. Manahy ny mbola hiakaran’izany ho mafimafy kokoa izahay amin’izao vanim-potoan’ny hain-tany izao », hoy ny Lehiben'ny Sampana Mpamonjy voina, ny Commandant Éric Olivier Ralaivaonoro. Hanamafy araka izany izy ireo ny amin’ny fanentanana ny toetra tokony hananana mba hiadiana amin’ny afo.

Nitombo ny mpamonjy voina

Anisan’ny mbola antony nilaina ireto fanampiana ara-pitaovana ireto ihany koa ny fitombon’ny isan’ireo mpamonjy voina. Raha ho an’Antananarivo manokana dia nitombo avo efatra heny izany tao anatin’ny folo taona. Marihina fa efa miisa 400 izy ireo ankehitriny izay mitsinjara ihany koa amin’ny toby miisa dimy. Mitovy avokoa ny anjara asan’izy ireo ao anatin’ny famonjena ny loza mety misy eny anivon’ny fiaraha-monina. Nanamafy ihany koa ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny tanàna, Harilala Ramanantsoa fa ezahina ny hametrahana ny toby faha-enina eny amin’ny boriborintany fahaefatra amin’ity taona ity. Izany dia hanamafy sy hanatsara hatrany ny fomba fiasan’ireto mpamonjy voina ireto.

Lire la suite

Articles Similaires