• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © African Youth Summit
Image
Vaovao

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Hiara-hitady vahaolana ny tanora afrikanina

03/10/2024 15:47 © Moov.Mg

Hotanterahina any Addis-Abeba Etiopia, ny 14 hatramin’ny 16 ôktôbra 2024, ny fihaonana an-tampony ho an’ny tanora afrikanina, miompana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Manana solon-tena handray anjara amin’izany i Madagasikara.

Fampandraisana andraikitra ny tanora

«1000 # Fihaonambe ho an’ny Tanora Afrikanina momba ny Rafitra Ara-tsakafo sy ny Agroekolojia » (Thousand African Youth Summit on food systems and Agroecology) no anaran’ity fihaonana an-tampony ity. Hiompana amin’ireo fomba azo ampifanarahana ny fomba fambolena amin’ny fiovan’ny toetr’andro, ny lohahevitra hodinihina mandritra izany. Tanjona ny hampandraisana andraikitra ireo tanora afrikanina mpandraharaha, manam-pahaizana amin’ny lafiny fambolena, ireo tanora mpirotsaka an-tsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana… izay mety afaka manolotra soso-kevitra, hahafahan’ireo firenena aty Afrika mahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Heverina fa vahaolana maro karazana no hivoaka avy amin’ity fihaonana an-tampony ity, izay kendrena rahateo ho fihaonana mitondra vahaolana, manoloana ireo fanamby atrehin’i Afrika ankehitriny, eo amin’ny rafitra ara-tsakafo sy eo anatrehan’ny olana ara-toetr’andro.

Fitadiavana mpiara-miombon’antoka

Firenena miisa 27 manerana an’i Afrika no manana solon-tena mandray anjara amin’ity fihaonana an-tampony ity, ka isan’izany i Madagasikara. Androany dia nandray an’i Andrianarimalala Helisoa Mampionona, izay solon-tenan’ny tanora malagasy voasafidin’ny Alliance for Food Sovereignty in Africa (AFSA), mpikarakara ny fihaonana, ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Marson Moustapha Abdulah, ary nanolotra tohana vatsin-dalana, mba hahafahany miatrika ity fihaonana manan-danja ity. Isan’ny tombony lehibe amin’ny fandraisana anjara amin’ity fihaonana an-tampony momba ny rafitra ara-tsakafo ity, araka ny fanazavan’i Andrianarimalala Helisoa Mampionona, ny fahafahana mifandray amin’ny hafa sy mitady mpiara-miombon’antoka, hiaraka hitondra vahaolana amin’ny olana ara-tsakafo sedrain’i Madagasikara. Izany dia mba hahafahana miroso amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, izay lalana isan’ny manafaka an’i Madagasikara amin’ny fahantrana.

Lohahevitra maromaro moa no hodinihina mandritra ireo andro vitsy ireo, toy ny fandraharaharana agrôekôlôjika manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ; ny teknôlôjia vaovao azo ampiharina amin’ny fambolena ; ireo lesona azo tsoahina amin’ny fomba amam-panaon’ireo olona eny ifotony amin’ny fiatrehana ny krizy ara-tsakafo sy ara-pambolena…

Lire la suite

Articles Similaires