• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Ratsivahiny
Image
Vaovao

Antananarivo Atsimondrano : Vita ny 90% ny asa fanamboarana ny toho-drano lehibe ao Ambatomainty

03/10/2024 14:35 © Moov

Nitsidika ny asa fanamboarana ny toho-drano lehibe ao Ambatomainty, ao amin’ny Kaominina Ampahitrosy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Raha ny tomban’ny asa vita dia efa ny 90% amin’izany no efa vita amin’izao fotoana izao. Tanjon’ny fisian’io fotodrafitrasa io ny hanampy amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Fanantenana

Velom-panantenana ireo tantsaha monina ao anatin’ity Distrika ity na dia mbola tsy vita tanteraka aza ity fotodrafitrasa ity. Raha ny fanazavana mantsy dia hanondraka tanimbary sy tanimboly hatramin’ny 2 000ha io toho-drano lehibe io. Kaominina miisa fito ao an-toerana no hisitraka ny fahavitan’izany. Ao anatin’izany ohatra i Ampahitrosy, Soavina, Soalandy, Ambanin’Ambohijoky, Antsahadinta sy ireo maro hafa. Efa am-polotaonany maro no niandrasan’ireo mponina izany fotodrafitrasa izany raha ny fanazavana avy amin’izy ireo. « Taona maro dia maro no nanantenana ity fotodrafitrasa ity. Afaka hanova ny fomba fambolenay ny fisian’ity toho-drano ity ary hampitombo ny vokatra na vary izany na ireo vokatra hafa », hoy ny solontenan’ireo tantsaha. Tsara ny manamarika fa tantsaha avokoa ny ankamaroan’ireo mponina ao Atsimondrano no mivelona amin’ny fambolena.

Toho-drano hafa ao Fidasiana

Ankoatra ity toho-drano lehibe ity efa eo amaram-paranana ilay iray hafa hita ao Fidasiana, ao amin’ny Kaominina Androhibe Antsahadinta. Hanondraka tanimbary sy tanimboly hatramin’ny 750ha ihany koa io toho-drano iray hafa io. Tokana ihany ny tanjona amin’ireo fotodrafitrasa lehibe roa ireo dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo. « Hisitraka tombony avy amin’ireo roa ireo ny tantsaha. Hampitombo ny vokatra amin’ny ankapobeny mantsy izany », hoy i Andry Ratsivahiny, Solombavambahoakan’Atsimondrano. Nanamarika moa ny tenany fa famatsiam-bola madiodio avy amin’ny Fitondram-panjakana no nahafahana nanatanteraka ireto asa ireto. Etsy andaniny dia efa maro ihany koa ireo toerana hafa nisitraka fotodrafitrasa toy izao. Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo avokoa izany.

Lire la suite

Articles Similaires