• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lulu Mada
Image
Vaovao

Salon Voatra andiany faha-11: Fanandratana ny vokatra malagasy vaovao

03/10/2024 13:11 © Moov

Tanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina nanomboka omaly ny Salon Voatra andiany faha-11. Tsy hifarana izany raha tsy ny sabotsy 5 oktobra ho avy izao. Mpandraharaha hatramin’ny 60 no mampiranty ao an-toerana. Ny vokatra malagasy vaovao sy miavaka no hositrahina mandritra ireo andro ireo.

Fifanohanana

Miavaka amin’ny lohahevitra hoe « mampiombona ny fanavaozana sy ny famoronana mba hampitomboana ny fifaninanana » ity andiany faha-11 ity. Araka izany, vokatra mbola tsy fahita isan’andro, misy famoronana ary ahitana fanavaozana, izany no hita mandritra io hetsika io. Ao anatin’izany ny vokatra ny tany, ny asa tanana, ny vokatra avy amin’ny orinasa samihafa ary ihany koa ireo tolotra vaovao mihavao avy amin’ny orinasa maro. Amin’ny karazany maro araka izany no hampirantiana sy afaka jifaina ao amin’ny Stade Barea izany. Manoloana izany indrindra dia ho fampiroboroboana ny vokatra malagasy, nanentana ny mpitsidika ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fmpiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fanohanana azy ireny. « Asa tsy vitan’olon-tokana ny fampiroboroboana ity sehatra ity. Anisan’ny mandray anjara amin’izany fanohanana izany ny fanjifana ireny vokatra vita malagasy ireny. Indrindra ny manodidina ireo vokatra vaovao », hoy i Ranoelimanana Vahinisoa, Sekretera Jeneralin’ny MIC.

Efa misy ezaka

Orinasa sy mpandraharaha efa nosafidiana manokana mihitsy ireto mandray anjara ireto. Anisan’ny mason-tsivana nisafidianana ireo orinasa ireo ny momba ny fanavaozana sy ny fivoarana hatolony. Amin’ny ankapobeny, raha ny hita teny an-toerana, dia efa misy ny ezaka ary tena efa lehibe izany. Ireo orinasa tsirairay ihany koa efa resy lahatra ny amin’ny maha-zava-dehibe izany. « Miezaka izahay, miaraka amin'ny fanavaozana ny vokatra, hanaraka ny fenitry ny tsena eto anatiny sy ivelany. Hita taratra izany amin’ireo fonosana sy ny vokatra izay efa saika manara-penitra ihany koa raha oharina amin'ny vokatra nafarana », hoy ny solontenan’ireo mpandray anjara ao amin’ny Salon. Ilaina rahateo mantsy izany mba hahafahana miditra lalina amin’ny tsena iraisam-pirenena. Izany rahateo no tanjon’ity lohahevitra ity mba hahafahana mampiroborobo ny fanondranana vokatra malagasy. Isan’ny hanampy amin’ny toe-karena eto an-toerana izany.

Lire la suite

Articles Similaires