• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Biocom
Image
Vaovao

Andavakoera - Fisitrahana herinaratra : Sady mampivoatra ny velon-tenan’ny mponina no miaro ny tontolo iainana

03/10/2024 12:37 © Moov.Mg

Manan-danja goavana eo amin’ny sehatry ny fandraharaharana ny fisian’ny herinaratra. Nampivoatra ny velon-tenan’ireo mponina ao amin’ny fokontany Andavakoera, any amin’ny Distrikan’Antsiranana, Faritra DIANA, ny fisitrahan’izy ireo herinaratra avy amin’ny tetikasa BIOCOM.

Angovo amin'ny herin’ny masoandro

Any amin’ny kaominina Ramena no misy ny fokontanin’Andavakoera. Ity Fokontany ity no isan’ny misitraka ny tetikasa « Fiarovana ny karazanjavamananaina sy fitantanana maharitra ny harena voajanahary, ho fampiroboroboana ny vondron’olona ifotony monina akaikin’ireo faritra arovana eto Madagasikara », izay fohezina amin’ny hoe : BIOCOM. Ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO) no tomponandraikitra voalohany amin’ity tetikasa ity, ary manohana ara-bola i Kôrea, amin’ny alalan’ny masoivoho kôreanina momba ny fifandraisana iraisam-pirenena (KOICA). Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ireo dia tafapetraka ny « panneaux solaires » 28 isa, izay mamatsy herinaratra 13,2 kW ho an’ny tanànan’Andavakoera. Tokantranno 50 isa no misitraka izany ankehitriny ary mbola afaka mamatsy tokantrano 200 hafa ity fotodrafitrasa ahazoana angovo amin'ny herin’ny masoandro ity.

Mikajy ireo faritra arovana

Nampivoatra ny velon-tenan’ny mponina ny fisitrahan’ny fokontany Andavakoera herinaratra. Sady nampiitatra ny asa velon-tena fanaon’izy ireo izany no namorona asa fitadiavam-bola vaovao ihany koa. Isan’izany ny fiantohana trondron-dranomasina, ny fanodinana ny vokatry ny tany ho lasa sakafo hafa… « Vokatry ny fisian’ny herinaratra dia afaka namokatra « yaourt » amboarina ao an-trano aho », hoy ny fijoroana vavolombelon-dRahelimanoro Charline. Araka ny fitantarany, asa an-trano no nentiny namelona ny fianakaviany teo aloha, niampy fiompiana. Ankehitriny, afaka manitatra ny fiompiana nataony izy ary ny ombivavy ao aminy ihany no mamokatra ny ronono anamboarany « yaourt ». Tsy mionona amin’ny fampisitrahana herinaratra fotsiny moa ny tetikasa BIOCOM, fa tanjon’ny tetikasa voalohany indrindra, ny fitandroana ireo karazanjavamananaina sy ny fitantanana maharitra ireo faritra arovana eto Madagasikara, indrindra ny valan-java-boaharin’i Marojejy sy Andohaela, izay voasokajy ho isan’ireo vako-pirenena ahiana ho ringana. Tanjon’ny tetikasa ihany koa ny fikajiana ny tontolon’ny Montagne des Français, izay manintona mpizahatany maro any Antsiranana.

Rehefa manana velon-tena maro karazana ny mponina, dia voasoroka kokoa ireo tsindry mahazo ny harena voajanahary. Tsy afa-misaraka, noho izany, ny lafiny ara-tsôsialin’ny mponina sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires