• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae.Jpg
Image
Vaovao

Distrikan’Ankazobe : Efa azo ampiasaina indray ny toho-drano sy ny lakan-drano mirefy 2 800m ao Maharidaza

03/10/2024 09:01 © Moov

Mitombo hatrany ny ezaka ho fampivoarana ny famokarana. Mahazo anjara amin’izany avokoa ny tantsaha rehetra manerana ny Nosy. Notokanana omaly ny fotodrafitr’asa ho fanatsarana ny fambolena tao Maharidaza. Toho-drano sy lakan-drano mirefy 2 800metatra no sitrahin’ireo tantsaha amin’izany.

Kaominina Ambolotarakely

Miantoka ny fampivoarana ny famokarana, ny fananana fotodrafitrasa, ka ho fanamafisana ny fanatsarana ny vokatra dia nisy fanarenana natao tamin'ireo lakan-drano mirefy 2800 metatra sy toho-drano. Manondraka lemaka 300 hektara ao amin'ny fokontany Maharidaza, kaominina Ambolotarakely, distrikan'Ankazobe ireo fotodrafitrasa ireo. Marihina fa vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Faritra Analamanga ary ny PNUD izay nanohana ara-bola ny fahavitan’izany fotodrafitrasa izany. Hanampy indrindra amin’ny fambolena sy fampitomboana ny vokatra izany. Nanamarika ireo tantsaha fa afaka hanampy tosika ny famokarana izany ny toho-drano sy ny lakan-drano. Afaka hamokatra indroa isan-taona izy ireo ka hahatratra ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Tokantrano miisa 250

Samy manantena fa hitondra fampandrosoana maharitra ao amin’ny faritra, ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa ireo. Tokantrano hatramin’ny 250 any an-toerana mantsy no heverina hahazo tombontsoa amin’izany. Marihina fa efa nahazo fiofanana mikasika ny fikojakojana ny fotodrafitrasa sy ny fitantanana fikambanana avy amin’ireo teknisianina eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana, izy ireo, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Ao anatin’izany dia tanjona kendrena ny fampiakarana ny fari-piainan’ireo mponina. Hitondra tombontsoa amin’ny fampihenana ny asa ratsy sy ny asan-dahalo izay miha-mafy any an-toerana ihany koa izany fampiakarana ny fari-piainana izany.

Lire la suite

Articles Similaires