• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Goverinoran'Ny Faritra Mahatsiatra Ambony
Image
Vaovao

FMFP : Nahazo 600 tapitrisa ariary ny Confédération Nationale des Transports" eto Madagasikara

02/10/2024 09:19 © Moov

Nisitraka fanampiana ara-bola hatramin’ny 600 tapitrisa ariary avy amin’ny Fonds Malgache des Formations Professionnelles (FMFP) ny Confédération Nationale des Transports" eto Madagasikara. Azo tamin’ny alalan’ny Projet d'Intérêt National Prioritaire "(INP) izany. Efa miasa io lelavola io amin’izao fotoana izao. Natomboka tamin’ny fampiofanana tao Fianarantsoa.

Faritra telo

Ankoatran’ny Fianarantsoa dia anisan’ny hisitraka tohana ihany koa ireo mpitatitra avy eto Antananarivo sy Toamasina. Tao Fianarantsoa aloha no nanombohana ny fampiofanana sady fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny tetikasa INP. Fampiofanana ireo mpandraharaha-pitaterana ao Fianarantsoa no tena nanombohana izany asa izany. Ny tanjon'ny tetikasa INP dia ny handray anjara amin'ny fampaharetana ireo karazana asa mifandray amin’ity fitaterana ity. Eo ihany koa ny fanampiana ireo orinasa tsirairay haharitra amin’ny fanatanterahana ny asany. Mbola tafiditra ao ihany koa ny manodidina ny fahasalaman’ireo mpisehatra amin’ny fitaterana dia ny fiarovana ny fahasalaman'ny mpiasa izany. Zava-dehibe tokoa izany fampiofanana izany. Nandray anjara tamin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana ny tompon'andraikim-panjakana tao Fianarantsoa izay nahitana ny Solombavambahoakan'i Madagasikara, ny Prefet-n'i Fianarantsoa, ny DAGR-n'ny Faritra, ny Talem-paritry ny Fitaterana, ny Lefitry ny Ben'ny Tanànan'i Fianarantsoa, ary ny ATT Fianarantsoa.

Tetikasa INP

Tetik'asa fanofanana ho matihanina amin’ny sehatra isan-karazany amin’ireo tena ilaina eto Madagasikara ity tetikasa INP ity. Ankoatra ny fitaterana ohatra dia ao anatin’izany ihany koa ny fahasalamana, ny manodidina ny asa vaventy ary ny momba ireo orinasa mpanamboatra lamba sy akanjo. Nosafidiana manokana ireo sehatra ireo hamaly ny filàna stratejika ho an’ny hoavin’ny toekarena malagasy. Tanjon’ny FMFP amin’izany ny hampiakatra ny fahaizana sy ny fahalalan’ny mpiasa eto Madagasikara. Safidiana kosa anefa ireo faritra tohanana ary anisan’ny fenitra takiana ny toerana manana fahaiza-mampandroso ny firenena amin’ireo sehatra samihafa ireo. Amin’izao fotoana izao dia io fitaterana io no himasoan’ny FMFP. Marihina fa famatsiam-bola avy amin’ny fandraisana anjaran'ny orinasa (20%-n'ny fandraisana anjara) ary avy amin'ny tahirim-bola fanampiny omen'ny mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola anisan'izany ny Agence Française de Développement (AFD).

Lire la suite

Articles Similaires