• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar
Image
Vaovao

Fifidianana ben’ny tanàna : Efa mandeha ny fandinihana ny fitarainan’ireo kandida tsy nankatoavin’ny OVEC

01/10/2024 14:33 © Moov

Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fandinihana ireo atontan-taratasy fitarainan’ireo kandida tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny OVEC. Samihafa no mety antony handavan’ny OVEC izany antontan-taratasy izany taorian’iny faha-26 septambra fara-fanaterana ny antontan-taratasy iny. Anjaran’ny CENI no mamoaka ny fanapahan-kevitra farany amin’izany.

Fitarainana 10 eo ho eo

Ny alatsinainy 30 septambra teo no tokony namoaka ny lisitra vonjimaikan’ny kandida isaky ny kaominina ao aminy avy ny OVEC tsirairay. Manana 48 ora aorian’izay ireo kandida ireo hitondra ny fitarainana eny amin’ny CENI raha misy tsy mifanaraka amin’ny eritreriny. Amin’izao fotona izao, raha ny fanazavana avy amin’ny mpitondra tenin’ny CENI dia miisa eo ho eo amin’ny 10 eo ny fitarainana voaray. Anisan’ny anton’izany ny tsy fahafenoana ny antontan-taratasy sy ny maro hafa. Androany sy rahampitso no fe-potoana handinihan’ity rafitra ity ireo fitarainana ireo. Ary aorian’izany dia manana 48 ora indray ireo kandida hampakàrana ny raharaha eny amin'ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana raha tsy afa-po amin'ny fanapahan'ny CENI. Araka izany, ny talata 8 oktobra izao no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo mpilatsaka hofidiana ny CENI. Hiroso avy hatrany amin'ny fisarihana ny laharan'izy ireo ao anaty bileta tokana ny solontenan’ny CENI isaky ny distrika ny alarobia 9 oktobra.

Antananarivo

Hatreto aloha, raha ny vaovao azo avy amin’ny OVEC Tana Ville dia neken’izy ireo ny maha-aradalana ny antontan-taratasin’ireo kandida miisa 7 eto Antananarivo Renivohitra. Araka izany, voatana vonjimaika hiatrika ny fifidianana izy fito mianadahy nilatsaka ho fidiana, raha io fanapahan-kevitry ny OVEC io. Ao anatin’izany i Gascar Fenosoa avy ao amin’ny Mouvement Gascar. Eo ihany koa i Harilala Ramanantsoa avy ao amin’ny Vondrona Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRMAR). Ravalomanana Tojo avy amin’ny antoko TIM. Monja Roindefo avy amin’ny antoko MONIMA. Anisany ihany koa i Randriamampionona Joseph Martin, tsy miankina ; i Razafinjoelina Tahiana avy amin’ny vovonana Tia Tanindrazana ary i Razanamasy Ndriana. Ny CENI kosa no manana ny fanapahan-kevitra farany ao anatin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires