• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena : Nisitraka fitaovana sy hanam-pamokarana ireo mpamboly ao amin’ny faritra Anôsy

01/10/2024 11:52 © Moov

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolena 2024 - 2025 ho an’ny faritra Anôsy. Tonga tany an-toerana ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio nanomboka izany niaraka tamin’ireo tantsaha. Tanjona amin’ity taona ity ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ka nanolotra fitaovana sy hanam-pamokarana ho an’ny faritra ny Minisitra.

Fampitomboana ny famokarana

Tafiditra ao anatin’ny programan’asan’ny fanjakana ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo, indrindra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Miompana betsaka kokoa amin’ny fambolena sy ny fiompiana araka izany ny ezaka amin’izao fotoana izao. Anisan’ny hahafahana manatratra ny tanjona mantsy ny fampitomboana ny vokatra amin’ny alalan’ny fampivoarana ny fomba famokarana. Izany indrindra no nanoloran’ny Minisitra hanam-pamokarana sy fitaovam-pamokarana ho an’ireo mpamokatra sy fikambanan’ny mpamokatra ao anatin’ny faritra Anôsy. Marihina fa avy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Tahirim-bola ho Fampiroboroboana ny Famokarana (FDA) izany. Tao anatin’izany dia tantsaha mpamokatra miisa 200 no nisitraka ny tohana amin’ny seham-pihariana vary an-drano tamin’ny alalan’ny Tetikasa PURPA izay vatsian’ny Banky Afrikanina hoan’ny Fampandrosoana vola. Masomboly 1800 kg, zezika NPK 3000 kg ary zezika biolojika milanja 15000 kg no nozaraina tamin’izany fotoana izany.

Tetikasa Fandroso

Anisan’ny nandray anjara tamin’ity fanombohana ny taom-pambolena ity ihany koa ny tetikasa Fandroso izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola. Fikambanana mpamokatra miisa 08 no nahazo tohana tamin’ny alalan’ity tetikasa ity. Nahitana mpahazo tombontsoa miisa 160 avy amin’ny Kaominina Kelivaho, Bekorobo, Analamary, Mahasoa Est, Ivahona ary Ambalasoa izany. Nahazo fampitaovana izy ireo tamin’izany. Motoculteurs iray (1), charrue miisa 21, charrette 18, herses 03, arrosoirs 100, Pulvérisateur 08 ary Motopompes 02. Teo ihany koa ireo masomboly vary 400 kg, Zezika biolojika 1900 kg, zezika urée 450 kg ary ondry miisa 118 ihany koa. Nanamarika moa ny Minisitra fa miara-dia akaiky hatrany amin’ny tantsaha mpamokatra ny fitondram-panjakana ary miezaka hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires