• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Famatsian-drano : Nanolotra vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka ho an’Antananarivo ny Filoha

01/10/2024 09:30 © Moov

Nivahiny tao amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM) ny Filoham-pirenena omaly hariva nandritra ny fanolorana ireo fitaovana vaovao ho an’ity orinasam-panjakana ity. Nandritra izany no nanolorany vahaolana manoloana ireo olana ara-tsosialy eto amin’ny tanànan’Antananarivo. Anisan’izany ny olana eo amin’ny famatsiana rano ka nanolorany ireo vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka.

Drafitra vaovao

Herinandro maromaro izay no nanomboka nimenimenina sy nidina andalam-be ireo mponin’Antananarivo tamin’ny fokontany maro momba ity olan’ny rano ity. Efa nisy ihany ireo vahaolana natolotry ny ministeran’ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana ary ny JIRAMA saingy mbola tsy ampy izany. Araka izany, nilaza ny Filoham-pirenena nandritra io fivahinianany io fa tsy maintsy mametraka drafitra vaovao hahafahana manarina izany. « Efa misy ireny bonbonne lehibe ireny manerana ny fokontany maro. Tsy maintsy tanterahina izay voalaza amin’ny fotoana famenoana azy ireny. Ao anatin’izany dia tsy maintsy ampiana ny fiara be mpitatitra rano manomboka izao mba hahafahana manatratra izay tanjona izay », hoy ny Filoham-pirenena nanazava io drafitra vaovao io. Tsara ny mampatsiahy fa hatramin’ny 100 tapitrisa litatra ny filàna rano mila fenoina eto Antananarivo Renivohitra. Vahaolana raisina izany amin’izao fotoan’ny hain-tany izao ary heverina ny hiafaran’ny olana rehefa avy ny orana.

Vahaolana lavitr’ezaka

Ankoatra ity vahaolana vonjimaika ity dia tsy maintsy karohina ihany koa ireo vahaolana maharitra mba hialana amin’ny fiverenan’ny olana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana ireo lavadrano manerana an’Antananarivo. Efa voaray tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny alakamisy 26 septambra lasa teo ny fanatanterahana izany. Etsy andaniny dia mbola olana mitoetra ihany koa ny fahanteran’ny fitaovana. Nanamarika ny Filoha Andry Rajoelina fa fitaovana efa ela avokoa no mitondra ny ankamaroan’ny rano eto Antananarivo ka tsy maintsy havaozina. « Vahaolana horaisina araka izany ny fanoloana ny fantsona mpitondra rano mirefy 78 km sy fametrahana fantsona vaovao mirefy 105 km izay ilaina indrindra ho an’ny mponina eny amin’ny ambony toerana », hoy hatrany ny Filoha nanazava. Ankoatra izay anefa dia efa andalam-panatanterahana ny tetikasa lehibe Tana Water Free izay hanampy amin’ny famenoana rano hatramin’ny 100 000m3 isan’andro. Nanamafy hatrany ity filoha ity fa hanampy ny Minisitera ny tenany hanafainganana ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires