• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Antananarivo Renivohitra : Manomboka ny fanamboaran-dalana !

01/10/2024 08:09 © Moov

Fanamboarana matihanina fa tsy fanapenana lavaka. Izany no fanambin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hampirindra ny fifamoivozana sy hanamora ny fivezivezena. Omaly alina, 30 septambra, no natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny asa. 20 ny ampahan-dalana voakasiky ny fanamboarana ao anatin'ny 60 andro.

Ankoatra ny fandaminana ny tsena dia vaindohan-draharahan'ny CUA ny fanamboaran-dalana. Omaly 30 septambra, nandritra ny fananganan-tsainan'ireo mpiasan'ny kaominina, no nanambaran'ny PDS Harilala Ramanantsoa ny fanombohana ny asa fanamboaran-dalana.

Fanamboarana manarapenitra

Ny faritry ny Route Circulaire iny no atao loha-laharana, satria efa amam-bolana maro no nampitaraina ireo mpampiasa lalana. Feno lavaka sady iangonan'ny rano mantsy ny arabe, na tsy fotoam-pahavaratra aza. Nosafidiana izao vanim-potoana maintany izao satria afaka iray na roa volana dia mety efa ho avy ny orana.
Tsy "tip top" na fanapenana lavaka vonjimaika no atao. Milina arifomba no ampiasaina amin'izany. Omaly dia efa hita nanepaka ireo goudron tamin'ny arabe ireo fiarabe. Tsy asa maimaika araka izany no tanterahina. Raha ny fandaharam-potoana dia haharitra herinandro ny fanamboarana : Antsakaviro, Bel'Air, Ampandrana, Rasalama.

Fandaminana ny fifamoivozana

Mazava ho azy fa misy ny fanelingelenana ny fifamoivozana, satria dia fitohanana lavareny ny teny Besarety nanomboka ny maraina teo. Entanina nefa ny rehetra handray ireo lalankafa tsy voakasiky ny fanamboarana, ary hanam-paharetana satria soa iombonana no karakaraina.
Toy izao ny fandaharam-potoana amin'ny fahatapahan-dalana :
-eo anelanelan’ny kihon-dalana Ampandrana Rasalama- Ampandrana- Bel’Air- sampanana makany Ampahibe eo Antsakaviro ny Talata manomboka amin’ny 9ora sy sasany hatramin’ny 12 ora.
-⁠eo anelanelan’ny kihon-dalana Ampandrana Rasalama- Ampandrana- Bel’Air- sampanana makany Ampahibe eo Antsakaviro manomboka ny alin’ny Talata 1 oktobra, Alarobia 2 oktobra, Alakamisy 3 oktobra, Zoma 4 oktobra, Sabotsy 5 oktobra manomboka amin’ny 8ora.
Fiaraha-miasa eo amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Ministeran'ny Asa Vaventy moa no hanatanterahana izao tetikasa izao.


Copyright Image : © CUA

Lire la suite

Articles Similaires