• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Programme Afafi-Sud
Image
Vaovao

Tetikasa AFAFI : Manampy amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo

30/09/2024 16:03 © Moov

Hahafahana manatratra ny tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny firosoana amin’ny fambolena sy ny fiompiana ara-teknika manaraka ny toetr’andro, isan’izany ny fandaharan’asa AFAFI ity. Efa ahitana izany avokoa na any Atsimo, na any Avaratra na eto afovoan-tany. Fanohanana tantsaha maro no tena himasoan’ity fandaharan’asa ity.

Tohana ho an’ny tantsaha

Fampitaovana, fampiofanana, ary ihany koa fanampiana ara-bola, izany no atolotry ny Vondrona Eropeanina amin’ny alalan’ity AFAFI ity. Amin’ny ankapobeny dia ireo tantsaha indrindra no tena tohanan’izy ireo amin’izany. Hatsaraina sy havaozina ny fomba famokarana amin’ny alalan’ireo tosika samihafa ireo mba hahafahana mampitombo ny vokatra. Voaray amin’izany avokoa na ny fambolena na ny fiompiana. Raha ny fanazavan’ireo tantsaha izay efa misitraka ny tohana dia mahafa-po ny vokatra azo. « Miompy omby vavy be ronono ny koperativa misy. Amin’ny ankapobeny dia mahavokatra ronono 15 hatramin’ny 20 litatra isan’andro izahay raha tsy nihoatra ny 12 litatra izany tamin’ny fomba nentim-paharazana teo aloha », hoy ireo tantsaha mpisitraka avy eny Alakamisy Fenoarivo. Ankoatra izay fitombon’ny vokatra izay, afaka nahazo fahaiza-manao ara-teknika ihany koa ireo tantsaha ireo. Nahafahana nampivoatra ny fihariana ny tohana, hanatsarana ny fiatrehana ny andavan’andron’ny mponina.

Hampihena ny fanafarana

Mandrafitra ny betsaka amin’ny mponina malagasy ny tantsaha. Tonga hatramin’ny 80% izany. Etsy andaniny anefa dia mbola manafatra hatrany isika amin’ny akora tena ilaina andavan’andro. Ankoatra ny vary dia ao anatin’izany ihany koa ny menaka, lafarinina, hatramin’ny siramamy. Araka izany, anisan’ny hanampy mba hampihena izany fanafarana entana avy any ivelany izany ny fampiharana ny fomba fiasa rehetra manodidina ity programan’asa ity. Heverina hampiakatra betsaka ny famokarana mantsy izany. Tafiditra ao ihany koa ny fampiroboroboana ny teknolojia vaovao momba ny fambolena maharitra, miaraka amin'ny fanarenana ny fotodrafitrasa fitaterana sy fanondrahana mba ho fanatrarana ity tanjona lehibe ity. Isan’ny nitondrana fanatsarana ihany koa ny mikasika ny fitantanana ara-tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetr'andro mba hahazoana vokatra miabo.

Lire la suite

Articles Similaires