• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fanamby.Jpg
Image
Vaovao

Fandraharahana ny fonja : Gadra miisa enina namoy ny ainy tao amin’ny Fonjan’ny Mananjary

30/09/2024 15:06 © Moov

Olan’ny tsy fanjarian-tsakafo. Gadra miisa enina amin’izao fotoana izao no namoy ny ainy tao amin’ny Fonjan’ny Mananjary. Tapa-bolana teo izay no niantombohan’izany olana izany, raha ny fanazavana avy amin’ny Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja. Ankoatra ireo dia efa maro ihany koa ireo marary ka efa mandalo fitsaboana amin’izao fotoana izao.

Fanampiana ara-tsakafo

Nandray an-tanana tamin’ny famatsiana ara-tsakafo ny Ministeran’ny fitsarana teo anatrehan’izany rehetra izany. Efa tonga tany an-toerana ny fiara lehibe nitondra ireo sakafo toy ny tsiasisa, menaka ary fanafody sy fanampin-tsakafo toy ny « plumpy nut ». « Ankoatra ireo fanafody sy sakafo dia efa nisy mpitsabo sy « nutritionniste » ihany koa niaraka amin’izy ireo mba hanampy amin’ny fitsaboana. Hitsaboana sy hanarenana ny tsy fahampian-tsakafo no tanjon’ireo rehetra ireo », hoy ny fanazavan’ity Tale Jeneraly ity, ny Inspecteur en chef d’administration pénitentiaire, Arsène Ralisaona. Nanamarika ity Tompon’andraikitra ity fa isan’ireo distrika misedra olana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny ao Mananjary. Anisan’ny faritra iray ao Atsimo Atsinanana lasibatra amin’ny loza voajanahary hatrany mantsy ity toerana ity. Saika simba vokatry ny orambe sy ny tondra-drano ny fambolena ka mampihena ny vokatra. Isan’izany lasibatra izany ny gadra izay olona avy eny amin’ny fiaraha-monina ihany. Araka izany, ny eny anivon’ny faritra manontolo mihitsy no mila fanampiana.

Fotodrafitrasa

Mbola anisan’ny mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo eny amin’ny fonja ihany koa ny fahafenoan’izy ireny betsaka loatra. Manana tombony anefa ny eto Madagasikara amin’ireo politikam-panjakana momba ny fananganana fonja manara-penitra. Miisa sivy izany amin’izao fotoana izao raha efa notokanana ny dimy ary andalam-pahavitana kosa ny efatra ambiny. Mbola hanampy kokoa amin’izany ihany koa ny fandraisana ny atrikasa iraisampirenena mikasika ny fotodrafitrasan’ny fonja aty amin’ny Kaontinanta Afrikanina. Manomboka anio izany ary tanterahina eto Antananarivo. « Tafiditra ao anatin’ny ezaka amin’ny fanajana ny zon’olombelona ity atrikasa ity. Ankoatra ny manodidina ny sakafo dia zava-dehibe ihany koa ny fotodrafitr’asa mba hialana amin’ny olana mateti-pitranga eny amin’ny fonja », hoy hatrany ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires