• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Nosy Be : Manomboka hita mivaingana ny tombontsoa avy amin’ny fandaharan’asa PIC 3

30/09/2024 11:54 © Moov

Anisan’ireo toerana misitraka ny famatsiam-bola amin’ny alalan’ny fandaharan’asa PIC 3 ny ao Nosy Be. Nanatanteraka fidinana ifotony tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ao anatin'ny fandaharan'asa sy ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola. Tamin’izany no nahitana fa efa manomboka mivoaka tsikelikely ireo tombony lehibe avy amin’ity fandaharan’asa ity.

Fizahan-tany

Amin'ny maha-toerana mahasarika mpizahatany betsaka indrindra an'i Nosy-Be dia mbola hampitomboana izany no antony hamatsian’ny Banky Iraisampirenena ity sehatra ity. Hatramin’ny fiandohan’ny asa hatramin’izao dia efa miisa hatramin’ny 4 000 ireo asa voaforona tamin’ny alalan’ny fampiofanana manodidina io sehatra io. Etsy ankilany dia tafiditra ao anatin’ny tanjona ihany koa ny fampiakarana ny isan’ireo mpizahatany tonga any an-toerana. « Eo ho eo amin’ny 3 000 hatramin’ny 5 000 isaky ny herinandro eo ireo mpizahatany tonga any an-toerana amin’izao fotoana izao. Ho fampitomboana izany dia nojerena akaiky sy fanavaozana ireo toerana tena mahasarika mpizahatany toy ny Nosy Tanikely », hoy ny Minisitry ny toekarena, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Ny tetik'asa "Innovation du Parc National Nosy Tanikely en Digital et création d'un nouveau pack découverte" amin'ny alalan'ny famatsiam-bola "Mandrisika" no sitrahan'ity valan-javaboahary sy ranomasina eo ambany fitantanan'ny Madagascar National Parks ity. Isan'ny asa voafaritra anatin'ny famatsiam-bolan'ny PIC3 ny fahazoana "totem digital" sy "desktop digital" ho an'ny dokam-barotra sy brochures en ligne ary ny fahafantarana ny fahafaham-pon'ny mpitsidika. Eo ihany koa ny famoronana tranonkala sy tambazotran-tserasera ho an'ny vala manokana. Ny fametrahana fitaovana fanaraha-maso (caméras de surveillance) miisa 4, kioska (ecoshop sy snack) hampiakarana ny vola miditra ary ny fividianana kit solaire (5 KVA) hamatsiana herinaratra ny toerana arovana.

Fotodrafitr’asa

Anisan’ny nahazona famatsiam-bola ihany koa ireo fotodrafitr’asa isan-karazany tao an-toerana. Misongadina indrindra ny fanamboaran-dalana mampitohy an'i Andilana sy Hell Ville izay mirefy 25,7 km, an'i Hell ville sy Fascene izay mirefy 9,2 km ary ny piste Ambatozavavy izay mirefy 4,1km. Marihana fa efa 99,72 isanjaton'ny asa no vita. Natao fanaraha-maso ny kalitaon'ny asa tamin'ny alalan'ny "carottage" sy "test de déflexion". Eo ihany koa anefa ny fanarenana sy fanatsaràna ny famarotana ireo vokatra eto an-toerana na ny "agribusiness" ary ny fanatsaràna ny tontolon'ny fandraraharàna sy fanampiana ireo orinasa madinika sy salatsalany. Anisan’ny nojerana manokana ny famokarana ny « ylang-ylang » izay mampiavaka ity toerana ity. Marihina fa ny famatsiam-bola ny PIC3 dia mitentina 130 tapitrisa Dolara ary Faritra 9 sy kaominina miisa 162 erak'i Madagasikara no misitraka izany.

Lire la suite

Articles Similaires