• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdat
Image
Vaovao

Fitantanana: Miroso ny ezaka fanatsarana ny fikirakirana ny taratasy manodidina ny fananan-tany

30/09/2024 10:37 © Moov

Tonga nijery akaiky ny fandrosoan’ny asa ho fanatsarana ny fandrindrana ny sehatry ny fitantanana ny fananan-tany tany amin'ny distrikan'i Nosy Be ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana. Tao anatin’izany no nanamarihana fa efa miroso ny ezaka ho amin’ny fanatsarana io asa io. Mbola betsaka anefa ny asa miandry eo anatrehan’izany rehetra izany.

Vahaolana amin’ny olan’ny fananan-tany

Tanjona amin’ity fidinana ifotony ity dia ny fijerena ny tena fandrosoan’ny asa manodidina ny fametrahana rafitra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny fikirakirana ny taratasy. Mikendry ny mangarahara sy ny fanamorana ny asa avokoa izany. Raha ny antontan’isa voahangona mantsy hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany dia 8% ny taratasy momba ny tany no rovitra izany hoe 18 168 no mila havadika ho nomerika, ho an’i Nosy Be manokana. Eo amin’ny sehatra nasionaly kosa dia 20% ny boky sy ny sarin-tany no rovitra. Araka izany, ity fidirana amin’ny fampiasana teknolojia ity dia afaka hanampy amin’ny fanamorana ny asa fanavaozana izany rehetra izany. Ankoatra izany dia mbola anisan’ny maha-zavadehibe ity fanatsarana ity ihany koa ny asa manodidina ny fangatahana fanamarinana ny fananan-tany miisa hatramin’ny 10 000 eo ho eo amin’izao. Eo ihany koa ny fizarana sarin-tany mitokana miisa hatramin’ny 2 000 isan-taona eny amin’ny farim-piadidian’ny fananan-tany.

Sampan-draharaha roa

Raha tsiahivina dia anisan’ny ezaka ho tratrarina ny fampitoviana ny faritra rehetra mba hahafahana manatratra ny tanjona amin’izany fanamorana asa izany. Araka izany, miisa roa ny sampan-draharaha ny fananantany no efa an-dalam-panatanterahana ny fametrahana io haitao ara-kajy mirindra io. Anisan’izany i Antananarivo renivohitra sy i Nosy Be. Zava-dehibe izany fampidirana ny teknolojia izany raha tsy hiteny fotsiny afatsy ny fiarovana ny tanin’olona iray. Anisan’ny sehatra iray tena ahitana fifandirana matetika mantsy ny manodidina ny fananan-tany. Raha ny antontan’isa farany ihany koa izao dia raharaha momba ny ady tany miisa 1 000 isan-taona ihany koa no tsaraina eny amin'ny Fitsarana. Araka izany, mbola azo lazaina ho mbola alavitra ny lalana amin’izany ezaka izany.

Lire la suite

Articles Similaires