• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Mirefy 4km sisa no tsy vita amin’ny « voie rapide » Ambohitrimanjaka – Ivato

30/09/2024 09:18 © Moov

Mitohy ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasa hanalana fahasahiranan’ny mponina. Anisan’izany ny lalana mampitohy an’Ambohitrimanjaka amin’i Ivato. Nitsidika ny asa mandeha teny an-toerana ny Minisitry ny asa vaventy omaly alahady. Mirefy eo ho eo amin’ny 4 km eo sisa no tsy vita amin’izany.

Olana amin’ny mponina

Mbola tsy mety voavaha hatramin’ny farany ny olana avy amin’ireo mponina tsy manaiky ny fandalovan’ity lalana ity eo amin’ny taniny. Toerana vitsivitsy no misy ireo olona ireo ao anatin’io 4 km io. Mbola tafiditra ao anatin’izany ny ampahan-dalana 600m miala ny rond-point Andranotapahana sy ny 400m alohan’ny hivoaka an’Ivato. Araka izany, mbola mitohy hatrany ny fifampiresahana sy ny fandresen-dahatra ireo mponina ireo. « Miezaka hatrany mametraka ambony ny fifampiresahana sy ny fifandresen-dahatra ny Minisiteran’ny Asa Vaventy », araka ny nambaran’ny Minisitra tomponandraikitra, Rafidison Richard Théodore. Ao anatin’izany fifampiresahana izany ihany koa ny fampiharana ny lalàna velona mahakasika ny fanorenana fotodrafitrasa goavana toy izao. Tsara ny manamarika fa efa maro ireo fifampiresahana samihafa talohan’ny nanombohana ny asa ary mbola mitohy hatrany izany mba hialana amin’ny mety ho olana mitranga.

Fifamoivoizana

Anisan’ny fotodrafitrasa lehibe ho an’ny tanànan’Antananarivo ity asa ity. Tanjon’izany moa dia ny hanalefaka ny fitohanana, indrindra eny Ambohibao sy Talatamaty. Heverina hampisosa ny fifamoivoizana na ho an’ireo hizotra any amin’ny lalam-pirenena fahaefatra sy fahaenina, na ho an’ireo hamonjy ny seranam-piaramanidina Ivato ihany koa izy ity. Raha tsiahivina dia tokony ho vita any ho any amin’ny fiandohan’ny taona 2025 any ny asa rehetra. Efa mitady izay fomba rehetra hahatongavana amin’izany tanjona izany ny ministera raha ny fanazavana. Etsy ankilany dia nilaza vonona ny hamita ny tetikasa anatin’ny fotoana fohy ny orinasa CRBC izay manatanteraka ny asa amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina dia efa miasa ny ampahany amin’io lalana io amin’izao fotoana izao. Manomboka eo amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka hatreny Andranotapahina izany. Manamafy ireo mpamily fa efa vetivety amin’izao fotoana izao ny mamita io lalana Ambohitrimanjaka Ivato io raha natao efa ho 30 minitra izany teo aloha.

Lire la suite

Articles Similaires