• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

Jono : Tafaverina eto Madagasikara ireo mpanjono 7 voafonja tany Mossuril

28/09/2024 12:06 © Moov

Nigadona teny amin'ny seranampiaramanidina iraisampirenena Ivato ireo mpanjono malagasy miisa 7, androany 28 septambra vao maraimbe. Izy ireo dia nosamborin'ireo mpiambina ny morontsirak'i Mozambika.

Raha tsiahivina, nisy mpanjono 7 lahy nosamborin'ny mpiambina ny morontsirak'i Mozambika, tamin'ny volana desambra 2023.Voalaza fa niditra tsy ara-dalàna anatin’ny faritra mozambikana izy ireo. Nisy nefa ny olana ara-teknika teo amin'ny sambo raha niala teny amin’ny morontsirak’i Dzamandzar, Nosy Be, mba hanjono an-dranomasina akaikin’i Nosy# Lava. Tratry ny tafio-drivotra tampoka teny an-dranomasina izy ireo ka niteraka ny fahatapahan'ny maotera, ka tafiditry ny rano ny botry. Voatosiky ny onja ilay botry ka tafapaka tao amin’ny ny morontsirak’i Mozambika.
Tamin’ny 20 Desambra 2023 ny fihainoana voalohany ireto mpanjono malagasy ireto teo anatrehan’ny Fitsarana, tao amin’ny Distrikan’i Mossuril. Nanao tatitra hatrany taty amin’ny minisitera foibe ny masoivohon’i Madagasikara any Pretoria, ka nanomboka teo ny ezaka rehetra nampiharana ny diplaomasia voarindra miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Minisiteran’ny Raharam-bahiny, ka nahatonga izao fahombiazana izao.
Ny faha# 6 septambra teo no nampahafantatra ny famotsorana ireo mpanjono 7 ireo ny Governemanta malagasy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.

Lire la suite

Articles Similaires