• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aromeya
Image
Vaovao

Voana baobaba : Azo ahodina ho lasa menaka, savony, sakafo…

27/09/2024 19:01 © Moov.Mg

Mampalaza an'i Madagasikara ny renala, na ny baobaba, ary isan'ny misintona mpizahatany maro ny fananantsika karazany tsy fahita raha tsy eto amintsika ihany. Fa azo trandrahana tsara ihany koa ny voan'ny renala, ho lasa sakafo, na akora fikolokoloana endrika amam-bika.

Betsaka singa mahasoa

Amin'ny ankapobeny dia ny ranom-boankazo vita amin'ny voana baobaba no be mpahalala. Azo ahodina ho lasa vokatra maro isan-karazany anefa ny voana renala. Ny fikarohana momba izany indrindra no imasoan-dRakotondramiarana Voahary Lala, amin'ny alalan'ny orinasany, Zoahary Baobab. Nahazoany ny loka "Jeunes Espoirs" rahateo ny vokatra "Muesli" vita amin'ny voana renala novokariny, tao anatin'ny fifaninanana nokarakarain'ny Fonds Pierre Castel, izay misy ny orinasa Star. Niainga tamin'ny fanodinana ny renala ho lasa menaka i Voahary, fa ankehitriny dia efa mamokatra zavatra isan-karazany izy, toy ny Müesli izay efa voalaza teo, savony, "cake"...

Voankazo vory singa mahasoa betsaka, toy ny vitamina, klsiôma sy ny "fibres", ny voana baobaba, araka ny fanazavan'i Voahary. Na ny zaza aza dia azo omena vovoka baobaba, afangaro amin'ny sakafo hafa, toy ny yaourt, raha vao afaka misakafo. Rehefa mahazaka mihinam-bary kosa dia afaka mihinana ny « Muesli ». Sahaza tsara ny olon-dehibe ihany koa anefa ireo vokatra ireo, ary manampy betsaka ireo manana olana ara-pahasalamana, toa ireo tsy ampy kalsiôma sy ireo marary vanin-taolana.


Copyright Image : © Moov

Manampy ny tantsaha

Tsy dia tena mbola voatrandraka anefa ny voana renala, raha ny fahitan'i Voahary azy. Mazàna dia ny vahiny no manodina azy ho lasa vokatra hafa, hany ka lasa "produit de luxe" ny vokatra vita amin'ny voana baobaba. Izany indrindra no nahatonga an'i Voahary hisafidy ny hirotsaka an-tsehatra sy nikaroka, ary vokatra takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy rehetra no ezahany atolotra. Manampy Malagasy maro amin'ny asa velon-tena ihany koa ity tetikasan-dRakotondramiarana Voahary Lala ity. Tantsaha any Ankatsakatsa Toliara, Faritra Atsimo Andrefana, no manangona ny voana renala ka mamatsy ny Zoahary Baobab.

Ho afaka hanitatra ny orinasany i Voahary, rehefa nahazo ny « Prix Jeunes Espoirs 2024 ». Nisitraka 1 650€ avy amin’ny Fonds Pierre Castel izy, ho famatsiam-bola ; hahazo fiofanana mandritra ny 10 andro, any Côte d'Ivoire, amin’ny volana novambra ary hahazo tohana avy amin’ny manam-pahaizana manokan’ny Académie du Groupe Interacadémique pour le Développement (GID), mandritra ny 12 volana.



Lire la suite

Articles Similaires