• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Fahasalamana : Lay misy fanafody miisa maherin’ny 14 tapitrisa ho zaraina amin’ity taona 2024 ity

27/09/2024 16:10 © Moov

Ady amin’ny aretina tazomoka. Notanterahina tao amin’ny Carlton Anosy ny famaranana ny adisisika hitondrana ny anjara birikin'ny tsirairay amin'ny fizarana faobe lay misy odimoka. Nandritra izany no nanambarana fa hozaraina lay misy odimoka indray ny malagasy rehetra. Maherin’ny 14 tapitrisa no hozaraina amin’ity taona ity.

Nihena ny tranga

Tao anatin’ny enim-boala voalohany tamin’ity taona 2024 ity dia nahitana fihenana ny marary sy ny taham-pahafatesana momba io aretina io, hoy ny fanazavana avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Anisan’ny nahatratrarana izany tanjona lehibe izany ny fampiasana ara-dalàna ny lay misy odimoka. Ho fanohizana ny ezaka mba ho fiarovana mialoha dia hiverina indray ny fizarana lay misy odimoka. « Isaky ny telo taona dia mizara lay manerana ny Nosy isika miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Haparitaka amina distrika miisa 105 ao anatin’ny faritra 23 ireo lay rehetra ireo », hoy ny Tale misahana ny areti-mifindra ao amin’ny Ministera. Haharitra folo andro ny fizarana lay araka ny tetianro napetraka. Distrika 95 no hanombohana azy ny volana oktobra izao ary mbola hitohy izany amin’ny novambra sy desambra. Hatomboka amin’ireo faritra tena mbola azo lazaina ho faritra mena amin’ity aretina ity ny fizarana.

Antananarivo

Anisan’ny hisitraka lay misy odimoka ihany koa ny Dsitrikan’Antananarivo Renivohitra. Etsy andaniny anefa dia voalaza fa mbola tsy ahitana moka mitondra ny tsimokaretina eto Antananarivo. Zava-dehibe kosa anefa ny miaro tena mialoha ka antony tsy maintsy hizarana ny lay misy fanafody. « Ankoatra ny fampiasana lay kosa dia fihetsika mila hizarana ihany koa ny manadio ny manodidina mba hahafahana miady amin’ny fisian’ny moka », hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa raha tsy dia ahitana izany eto Antananarivo dia mbola mamely ireo Malagasy maro any amin’ny toeran-kafa ity aretina tazomoka ity. Io no antony faharoa hanatonana ny tobim-pahasalamana ary aretina fahatelo mahatonga ny fahafatesana eny anivon’ny tobim-pahasalamana. Araka izany, mbola goavana ny asa miandry na dia efa nihena aza ny tranga.

Lire la suite

Articles Similaires