• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fanamboaran-dalana : Manara-maso ny fandrosoan’ny asa ny Banky Iraisampirenena

27/09/2024 14:03 © Moov

Nihaona tamin’ny Minisitry ny asa vaventy, Rafidison Richard Théodore ny mpanara-maso ny asa avy amin’ny Banky Iraisampirenena. Nihaona manokana taminy kosa ny tompon’andraikitra voalohan’io Banky io eto Madagasikara. Tokana ny tanjon’ny fihaonana dia ny nahafahana nifampiresaka momba ny fanafainganana ny asa.

Tetikasa telo

Mpiara-miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ity Banky Iraisampirenena ity. Mandalo eto an-toerana izy ireo hijery ny fandrosoan’ny asa amin’ireo lalam-pirenena sy lalana ambanivohitra vatsian’izy ireo vola. Tetikasa goavana miisa telo izany, dia ny PDDR (projet de développement durable du secteur routier), ny PCMCI (projet connecter Madagascar pour une croissance inclusive) ary ny PACT (projet d’appui à la connectivité des transports), Asa maro mikasika ny lalam-pirenena sy tetezana maro izany. Anisan’izany ny RN10, ny RN5, ny RN7, ny RN4, ny RNT12A sy ny maro tsy voatanisa. Hijery akaiky ny fandrosoan’ny asa, ny fitantanana ny volan’ireo tetikasa ary ny mety ho tohin’ny fiaraha-miasa amin’ireo asa ireo no anton’ny fahatongavan’izy ireo. Mifanaraka amin’izany ihany koa ny fifampiresahana teo amin’ny Minisitra sy ny tompon’andraikitra voalohan’ny Banky, Atou Seck. Teo ihany koa anefa ireo tetikasa laharam-pahamehana sy ireo vinavina amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

Roa herinandro

Haharitra roa herinandro izany asa fitsidihana tanterahin’izy ireo ity. Feno ny fandaharam-potoanan’izy ireo mandritra ny iraka, haharitra hatramin’ny 8 oktobra. Ankoatran’ny fihaonana amin’ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny dia hisy ihany koa ny fanadihadiana sy ny fidinana ifotony eny amin’ny lalam-pirenena. Nanamafy ny Minisitry ny Asa Vaventy fa zava-dehibe ny fisian’ny fanaraha-maso toy izao, hanaovana tombana sy hitondrana fanatsarana ny fomba fiasa ka hahazoana vokatra malaky. Fotoana ihany koa hijerena sahady izay mety ho tohin’ny fiaraha-miasa ny toy izao. « Noraisiko ho adidy manokana ny niatrika ireto Delegasion’ny Banky Iraisampirenena ireto mba hahafahana milaza sy mizara amin’izy ireo ny amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa mba hiazakazaka kokoa ny fomba fiasa », hoy ny Minisitra tamin’ny fanazavany. Tsy maintsy hojerena ihany koa hoy ny Minisitra ny mbola ho fitohizan’ny fiaraha-miasa.

Lire la suite

Articles Similaires