• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jimson
Image
Vaovao

Famatsiana jiro sy rano : Nanolotra vahaolana fohy ezaka maromaro ny MEAH sy ny JIRAMA

27/09/2024 11:57 © Moov

Nisy ny fihaonana niarahan’ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana sy ny JIRAMA, izay notarihan’i Andrianamelasoa Lalaina, Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, omaly 26 septambra 2024. Tao anatin’izany no nahafahana nanapaka ireo vahaolana fohy ezaka mba ho fanampiana amin’ny famatsiana jiro sy rano ho an’Antananarivo sy ny manodidina.

Tsy ampy 30 hatramin’ny 40MW isan’andro ny jiro

Raha ny fanazavna avy amin’ny orinasa JIRAMA dia saika antitra avokoa ireo fotodrafitr’asan’ny herinaratra sy rano. Tsy mamaly intsony ny filana ankehitriny ny vokatra ary miteraka fanamby goavana ho an’ny Orinasa JIRAMA indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny haintany izao. Ao anatin’izany tsy fahampian-drano izany dia misy tsy fahampiana hatramin’ny 30 hatramin’ny 40MW isan’andro ny jiro eto Antananarivo. Vahaolana araka izany ny fanapahana jiro mifandimby. « Tsy maintsy hatambatra ho mandritra ny 6 ora ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo ary hampifandimbiasana izany mba tsy hisian’ny fiangarana », hoy ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, Ron Weiss. Ao anatin’izany vahaolana izany ihany koa ny vinavina fandatsahana orana artifisialy. Andrasana kosa ny fepetra hampahomby izany. Mbola hiampy ny fanafainganana ny fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, hanampy hatramin’ny 50 mégawatts sy 350 mégawatts fanampiny izany.

Tsy ampy 100 tapitrisa litatra ny rano

Mahatratra hatramin’ny 300 tapitrisa litatra isan’andro ny filàn’ny mponina eto Antananarivo raha ny fanazavana. Etsy andaniny anefa dia 200 tapitrisa ihany no azo amin’izao fotoana izao. Araka izany, mbola mila 100 tapitrisa litatra isan’andro ny renivohitra. Vahaolana vonjimaika napetraka tamin’izany aloha ny fifantohana kokoa amin’ny fitsinjarana rano amin’ny kamiao mankany amin’ny tankin-drano ho an’ireo toerana tsy misitraka izany. Nampitomboina ihany koa ireo kamiao mba hahafahana mitatitra rano betsaka kokoa. Nifampiresahana ihany koa ny vahaolana maharitra. Ao anatin’izany ny fanamboarana ireo fotodrafitr’asa maromaro izay efa tsy niasa intsony nandritra ny taona maro. Fitrandrahana rano ambanin’ny tany (Forage) miisa 35 no ho hatao hanatsarana ny famatsiana. Eo ihany koa ny fanorenana fotodrafitr’asa fanadiovan-drano miisa roa 50 000m3 isan’andro avy. Tsy latsa-danja amin’izany ny fametrahana sy fanoloana fantsona lehibe, fanampiana ireo paompy efa misy sy ireo milina mba hiarovana ny fitohizan’ny fitsinjarana.

Lire la suite

Articles Similaires