• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Varika tratra tao amin’ny hôtely tany Ambalavao : Efa naverina any amin’ny tontolo voajanahary

26/09/2024 16:52 © Moov.Mg

Ny fifanomezan-tanan’ny olom-pirenena rehetra, izay samy tokony ho saro-piaro amin’ireo harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara, no ahafahana miaro azy ireny. Porofon’izany ny filazana nataon’olon-tsotra tao anaty tambajotra Facebook, izay nahafahana nanavotra varika roa, notazonina an-tsokosoko.

Biby arovana

Hôtely iray tany Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony, no nahitana ireo maki roa ireo, izay isan’ny varika arovana sy ahiana ho lany tamingana. Rehefa nahita ny sary sy filazana tao anaty Facebook ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, dia nidina nanamarina ny zava-misy ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana ao Matsiatra Ambony. Hita tao amin’ilay hôtely tokoa ireo maki roa, izay notazonina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Olona roa no nalaina am-bavany, nanaovana fanadihadiana, ary hiakatra eny anivon’ny Fitsarana ity raharaha ity. Tsy maintsy hampiharina ny sazy mifandraika amin’izao tranga izao, araka ny lalàna, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Nampahatsiahy ihany koa ny ministera, fa voararan’ny lalàna tanteraka ny fitazonana biby arovana, toy ny Maki.

Fandraisan’andraikitra

Efa naverina any amin’ny tontolo voajanahary, ao amin’ny Valan-javaboahary Anjaha, Kaominina Iarintsena, Distrikan’Ambalavao, ireo maki anankiroa, izay ny Vondron’Olona Ifotony no mitantana azy, mba hahazoan’izy ireo fiarovana maharitra. Manentana ny olom-pirenena rehetra moa ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, mba hifanome tanana amin’ny fiarovana ny zavaboahary sy ny harena voajanahary tsy manam-paharoa ananan’i Madagasikara, satria ny tahaka izany no nahafahana nanavotra ireto varika roa ireto.

Lire la suite

Articles Similaires