• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy.Jpg
Image
Vaovao

Tafika andranomasina : Nohamafisina ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ny sisin-tany eto Madagasikara

26/09/2024 16:29 © Moov

Notokanana androany 26 septambra 2024 tao Antsiranana ny "Centre des opérations de la Marine" an'ny Tafika Andranomasina izay mitoby ao amin'ny "Base navale". Efa notokanana omaly 25 septambra 2024 tany an-toerana kosa ihany koa anefa ireo fotodrafitr'asa ara-miaramila roa izay fiaraha-miasa amin'ny tafika frantsay sy malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisanana ny fiarovana ny sisin-tany avokoa izany.

« Centre des Opérations de la Marine »

Ivon-toerana entina handrindrana ireo hetsika ara-tafika amin'ny fiarovana sy fanaraha-maso ny sisin-tany eto Madagasikara ity notokanana ity. Izany no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Tafika Malagasy, ny Tafika Frantsay ary ny Tafika Amerikana (USA) ary ny tetik'asan'ny Firenena mikambana aty andrefan'ny Oseana indiana (UNODC) na "Projet pour l'ouest de l'océan Indien du programme mondial de lutte contre la criminalité maritime". Madagasikara rahateo dia miara-miasa hatrany amin’ny firenen-kafa amin’ny traikefa ho fiarovana ireo sisin-tany. Tonga nanome voninahitra, nanolotra ary nitokana izao ivon-toerana izao moa ny Ambasadaoro Frantsay miasa eto Madagasikara, notronin'ny Jeneraly Colcombet Régis, “Directeur de la Coopération de Sécurité et de Défense” (DCSD) sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny tompon’andraikitry ny fiarovana misahana an’i Madagasikara avy eo anivon’ny Masoivoho Amerikana ary ny Lehiben'ny tetik'asan'ny UNODC.

« Sémaphore sy poste de secours et de sauvetage »

Ireto fotodrafitr’asa vaovao ireto ihany koa ny mbola fiaraha-miasa indray tamin’ny tafika frantsay. Ny voalohany tamin'izany ny Sémaphore hita ao Cap Miné Orangea, izay hahafahana manara-maso sy miaro ny sisin-dranomasin'i Madagasikara. Ny faha-roa kosa ny "Poste de secours et de sauvetage" ao Ramena izay misahana ny vonjy taitra sy famonjena ireo sambo na olona tra-doza an-dranomasina. Ireo foto-drafitr'asa nolazaina ireo dia ahitana fitaovana harifomba sy maoderina ilain'ny Tafika Andranomasina amin'ny fiatrehana ireo ambana samihafa amin'ny sisin-tanin'ny Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires