• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Vaovao

Lalàna famosirana ny mpanolan-jaza : Lany ny didim-panjakana mamaritra ny fepetra fampiharana azy

26/09/2024 15:32 © Moov.Mg

Lany tao anatin’ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly 25 septambra 2024, ny didim-panjakana mamaritra ireo fepetra hampiharana ny famosirana amin'ny alalan'ny fandidiana amin’ireo mpanolan-jaza. Mbola maro mantsy ireo teboka nampiroaroa saina amin’ny fampiharana ity lalàna ity, ka nahiana hitarika tsy fahombiazana, na ihany koa, miendrika fanitsakitsahana ny zon’olombelona.

Mirongatra ny fanolanana

Tahaka izao raha iverenana ireo dingana nandalovan’ity lalàna ity. Niarahan’ny rehetra nahatsapa fa diso nirongatra loatra ny trangana fanolanana teto Madagasikara, nandritra ny taona maromaro. Tamin’ny taona 2023 dia nisy tranga fanolanana zaza tsy ampy taona niisa 600, voarakitry ny ministeran’ny Fitsarana teto Madagasikara. Isan’ny nanolo-kevitra ny amin’ny hampiharana sazy henjana amin’ireo mpanolan-jaza ny filoha Andry Rajoelina, ka ny famosirana no tolo-keviny. Ny 24 janoary 2024 ary, dia nanolotra lalàna ho fanenjanana kokoa ny sazy hampiharina amin’ireo mpanolan-jaza ny governemanta, ka nampidirana tao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana ny sazy famosirana simika, na amin'ny amin’ny alalan’ny fandidiana. Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona izany lalàna izany. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) kosa dia nanaisotra ny famosirana simika tao anatin’ilay volavolan-dalàna, ka ny famosirana amin’ny alalan’ny fandidiana ihany no hampiharina amin’ireo mpanao herisetra ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona.

Fiarovana ny zaza

Nangataka ny hamaritan’ny governemanta mazava “amin’ny alalan’ny didy amam-pitsipika, ny fepetra sy ny fomba fiasa amin’ny famosirana fandidiana amin’ny fiheverana ny adidy amin’ny fanajana ny zon’olombelona”, ihany koa ny HCC. Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly, araka izany, ny didim-panjakana mamaritra ireo fepetra sy dingana rehetra hampiharana ny lalàna laharana faha 2024# 001 tamin'ny 26 febroary 2024, izay manova sy mameno ny fehezan-dalàna famaizana, mamaritra ny famosirana amin'ny alalan'ny fandidiana, ireo olona voaheloka noho ny fanolanana zaza tsy ampy taona.

Nanamarika ny filàn-kevitry ny minisitra fa antony voalohany nametrahana izao fanasaziana izao ny fiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny izay niharan’ny herisetra, ka anjaran’ny Fanjakana no mametraka ny didy aman-dalàna ho an’ireo nahavanon-doza.

Lire la suite

Articles Similaires