• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Mponina
Image
Vaovao

Tsy fandriam-pahalemana : Hitrangana asan-dahalo isan’andro ao amin’ny Distrikan’Antanimora Atsimo

26/09/2024 15:25 © Moov

Tsy mitsahatra ny tsy fandriam-pahalemana ao Antanimora Atsimo. Miaina asan-dahalo ireo mponina any an-toerana isan’andro isan’andro. Saika mahazo omby am-polony hatrany ireo dahalo ireo isaky ny miditra an-tanàna. Manao antso avo amin’ny fanampiana hatrany araka izany ireo tompon’andraikitra sy ireo mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao.

Mangalatra omby

Mbola azo lazaina ho Distrika faralahy amin’ireo distrika rehetra ity Distrikan’Antanimora Atsimo ity. Anisan’ny distrika farany napetraka tamin’ny alalan’ny didim-panjakana izy raha mbola tao anatin’ny Distrikan’Ambovombe teo aloha. Izany indrindra no mahatonga azy ireo miantso fanampiana ny amin’ny famongorana ireo dahalo ireo. Omby ampolony hatrany mantsy no lasan’ireo dahalo ary ny ankamaroan’izany dia tsy misy tafaverina. « Mamaky vala 3 na 4 isaky ny alina ireo dahalo ireo ary tena matetika loatra ny fiverenany amin’ny tanàna iray. Mitaintaina hatrany ireo mponina isaky ny hariva. Etsy andaniny anefa dia sady mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo ka mampanano sarotra ny fanenjehana azy ireo », hoy ny Solombavambahoaka avy ao an-toerana, Jacques Goulamaly. Nanazava ihany koa ny tenany fa tsy dahalo avy ao amin’ny Distrikan’izy ireo ireto voalaza ireto. « Matetika avy any amin’ny Distrikan’ny Betroka, Soanala na Andriry izy ireo », hoy hatrany ny fanazavana.

Fanampiana

Teo anatrehan’izany rehetra izany dia efa nangataka fanampiana hatrany ireo Tompon’andraikitra tao an-toerana. Efa namaly ny fiantsoana ny avy ao amin’ny Ministeran’ny foloalindahy. « Tonga omaly taty an-toerana ny angidim-by miaraka amin’ireo tafika hanampy ny efa eto an-toerana », hoy ny fanazavan’ity Solombavambahoaka ity hatrany. Tonga niaraka tamin’izany ny tafika « mixte » izay nahitana ny zandarimaria sy ny miaramila mba hanome tosika ireo efa any. Matanjaka loatra mantsy ireto dahalo ireto ka izay no nahatonga ny fanampiana. Raha tsiahivina dia tany an-toerana no nitrangan’ilay fahafatesana miaramila miisa telo ny herinandro lasa teo. Nandritra ny fanenjehena sy fifandonana tamin’ny dahalo no nahatonga izany.Tany an-toerana ihany koa nitranga fandorana tanàna.

Ahiahy

Miverimberina loatra ity asan-dahalo ity any an-toerana ka miteraka ahiahy amin’ireo mponina any an-toerana izany. « Miahiahy izahay sao misy lonilony na ambadika politika ity tsy fandriam-pahalemana ity. Tsy misy anefa ny porofo mivaingana fa mbola mijanona ho siosion-dresaka ihany izany », hoy hatrany ny fanazavana. Mangataka ny hanatsaharana izany anefa ireo mponina raha izany no mety ho antony.

Lire la suite

Articles Similaires