• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unfpa
Image
Vaovao

Zo ara-pananahana : Iray amin’ireo firenena afrikanina nahavita ezaka goavana i Madagasikara

26/09/2024 14:09 © Moov.Mg

"Safidy ho an’ny rehetra : fahafahana mandrindra, fahefana hisafidy." Io no lohahevitry ny andro eran-tany faha-17 ho an’ny fanabeazana aizana, izay marihina androany 26 septambra 2024. Tanjon’ny fanamarihana ity andro eran-tany ity ny hahafahan’ny olona rehetra misitraka ny zony ara-pananahana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fomba fandrindram-piterahana maoderina.

Ezaka goavana

Amin’ny ankapobeny dia nisy fivoarana ny taty amin’ny kaontinanta afrikanina eo amin’ny lafiny fisitrahana fomba fandrindram-piterahana, tao anatin’ny 10 taona. Nanamafy izany ny Dr Sennen Hounton, Talen’ny biraom-paritry ny UNFPA ho an’i Afrika avaratra sy afovoany, omaly, tao anatin’ny tafa ampitain-davitra niarahany tamin’ireo mpanao gazety mpikirakira ny fahasalamana sy ny tontolo iainana, ao anatin’ny tambajotra REMAPSEN. Nambarany tamin’izany fa, raha atao ny salan’isa, dia tany amin’ny 13% ny taham-pampiasana fomba fanabeazana aizana maoderina tany amin’i Faritr’i Afrika iadidiany, tamin’ny taona 2015. Tafakatra 18% izany, tamin’ity taona 2024 ity. Taha ankapobeny io, fa misy ireo firenena nahavita ezaka goavana kokoa noho ny hafa. Iray amin’ireo firenena afrikanina tena nahavita nampiroborobo ny taham-pampiasana fandrindram-piterahana maoderina i Madagasikara. Nanodidina ny 5% izany tany amin’ny taona 1992 ; tafakatra 43% tamin’ny taona 2021 ary amin’izao fotoana izao dia efa tratra ny tanjona 60%, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Tolotra maimaim-poana

Na eo aza anefa ny ezaka vita, dia mbola maro ireo olana sedraina, ka mahatonga ny olona maro tsy hisitraka ny zony ara-pananahana. Isan’ny notanisain’ny Dr Sennen Hounton ho sakana ny fahantrana, ny fifindra-monina tsy an-tsitrapo, ny fidangan’ireo trosa baben’ny firenena afrikanina maro… Azo alain-tahaka tsara kosa anefa ny paikady napetrak’ireo firenena maro aty Afrika, izay nampitombo tsikelikely ny teti-bola atokany ho an’ny fandrindram-piterahana. Ao ihany koa ireo mampisitraka fanabeazana aizana maimaim-poana ho an’ireo mponina ao aminy. Isan’ireo firenena mampiasa ireo paikady roa ireo i Madagasikara. Maimaim-poana, ho an’ny olon-drehetra tsy anavahana, ireo karazana fomba fanabeazana aizana misy eto Madagasikara, eny amin’ireo tobim-pahasalamana miankina amin’ny Fanjakana. Etsy an-daniny, niakatra hatrany ny fampiasam-bola ho an’ny fanabeazana aizana eto Madagasikara, nanomboka ny taona 2018. Vokatr’izany, « Miroso mihatsara mankany amin’ny fiovan'ny firafitry ny mponina » i Madagasikara, hoy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina eto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires