• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Antananarivo : Hisitraka fanampiana manodidina ny 451 tapitrisa ariary isan-taona ny boriborintany telo

26/09/2024 11:25 © Moov

Tontosa teo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo (PDS), Ramatoa Harilala Ramanantsoa sy ny Talen’ny ONG KFHI eto Madagasikara. Hanolotra 451 tapitrisa ariary isan-taona ho an’ny boriborintany voalohany, faharoa ary fahadimy ity Fikambanana Koreanina ity. Tanjona amin’izany ny ho fanampiana ny mponin’Antananarivo amin’ny lafiny sosialy.

Fiatrehana ny loza voajanahary

Olana sedrain’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra ny fiatrehana ny loza rehefa mandalo vanimpotoana sarotra. Ao anatin’izany ny tondra-drano rehefa vanim-potoan’ny rivodoza sy ny fahavaratra. Entina indrindra hanampiana ireo mponina tena marefo amin’ireo boriborintany miisa telo ireo ity fiaraha-miasa ity araka izany. Amin’ny ankpobeny dia ireo mponina marefo eny amin’ireo faritra tena mizaka mafy ny vokatry ny loza voajanahary no hisitraka izany fanampiana izany. « Mbola tena maro ny fanampiana ilain’ny mponin’Antananarivo. Zava-dehibe ity fiaraha-miasa ity ary efa fiomanana sahady amin’ny fotoam-pahavaratra izany », hoy ny PDS, Harilala Ramanantsoa. Haharitra roa taona aloha ny fiaraha-miasa amin’ity fiantombohany ity ary isan-taona no handefasana io lelavola io.

Fahasalamana sy fampianarana

Hanohana ny lafiny fahasalamana sy ny fampianarana ihany koa ry zareo avy amin’ny ONG KFHI ireto. Anisan’ireo hisitraka ity fanampiana ity ireo sekoly fanabeazana fototra (EPP) amin’ireo boriborintany telo ireo. « Anisan’ny mahazo tombony amin’ity tetikasa ity ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra amin’ireo distrika ireo. Hisy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana hanaraha-maso ny fahasalaman’ny mpianatra mba hanatsarana ny vokatra any an-tsekoly », hoy hatrany ny PDS an’ny tanànan’Antananarivo.
Marihina fa hitohy mandritra ny folo taona ity fiaraha-miasa ity aorian’izany andrana mandritra ny roa taona izany raha ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires