• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpanao Lavadrano
Image
Vaovao

Famatsiana rano : Lavadrano miisa 35 hatsangana hamenoana ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo

26/09/2024 09:35 © Moov

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra, omaly hariva, ny vahaolana vonjimaika amin’ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Lavadrano miisa 35 no heverina ho atsangana hamenoana izany tsy fahampian-drano izany. Hatao eto Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo izany.

Hanampy rano hatramin’ny 700m3

Raha ny fanazavana avy amin’ny orinasa JIRAMA hatrany dia ahitana tsy fahampiana 100.000m3 ny famokaran'ny tambazotran'ny rano amin'ireo faritra efatra ireo ankehitriny. Ity ezaka fametrahana lavadrano ity araka izany dia hanampy hatramin’ny 700m3 amin’ny famatsiana rano. Afaka hamaha amin’ny ampahany ny olan’ny rano izany. Araka izany, hahafahana mamaly ny filan'ny mponina dia hametrahana lava-drano miisa 07 eto Antananarivo Renivohitra. Miisa 14 ho an’Antananarivo Atsimondrano. Miisa 07 avy kosa ho an’Avaradrano sy Ambohidratrimo. Tapaka nandritra io filan-kevitry ny Minisitra io ihany koa fa mitentina 4.995.019.000 Ariary ny teti-bidin’ireo asa ireo. Etsy andaniny araka izany dia mponina manodidina ny 24500 no hisitraka izany famatsian-drano izany.

Asa maika

Olana mety hiteraka korontana ara-tsosialy eto Antananarivo ity tsy fahampian-drano ity. Andro maromaro izay no tena niverina nahery vaika ny fahatapahana ka efa niteraka fitokonana tamin’ny mponina sasantsasany. Araka izany, asa maika ity fametrahana lavadrano ity. Noho izany hamehana izany dia nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hanaovana tolo-bidy ao anatin'ny fe-potoana 15 andro. Nomarihin’ny Filohan’ny Repoblika fa vonjy maika ny hametrahana ireo lavadrano ireo fa tsy vahaolana. Nanome toromarika ny minisitra tompon’andraikitra ihany koa ny tenany hitondra ireo fanadihadiana momba ny famatsian-drano eto Antananarivo hametrana izay vahaolana maharitra izay indrindra. Raha tsiahivina moa dia efa maro ireo fivoriana hiarahan’ny Ministeran’ny rano sy ny orinasa JIRAMA momba ny fikaroham-bahaolana. Antenain’ny mponin’Antananarivo hitondra vahaolana maharitra ho azy ireo izany karazana fivoriana izany.

Lire la suite

Articles Similaires