• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Liko Kininike
Image
Vaovao

Mpanjakavavin’ny Tsapiky : Hotsaroana manokana ny faha-10 taona nahafatesan-dRasoa Kininike

25/09/2024 16:45 © Moov.Mg

Folo taona lasa izay, volana septambra 2014, nodimandry teo amin’ny faha-36 taonany Rasoakamisy Claudine, fantatra tamin’ny anarana maha-mpanakanto azy hoe : Rasoa Kininike. Ho fahatsiarovana azy dia mikarakara hetsika ho fanomezam-boninahitra azy i Lico Kininike, zanany.

Niharan-doza

« Mpanjakavavin’ny tsapiky ». Io ihany koa no anarana nomen’ny olona an-dRasoa Kininike, noho ity mpanakanto ity nanandratra avo sy nampiroborobo ny gadona Tsapiky, izay mozika ahafantarana ny tapany Atsimon’i Madagasikara. Hira nahafantarana azy, nokaloiny tao anatin’izany gadona tsapiky izany, ny « Tsara tsodrano », « Manambady mampirafy », « Pasikaly »… Indrisy anefa fa nofaohan-dRafahafatesana ity vehivavy mpanakanto ity, raha mbola tao anatin’ny fahatanorany sy ny lazany tanteraka. Handeha hanao fampisehoana tany Maintirano izy sy ny tarika nisy azy, no tra-doza tampoka ny fiara nitondra azy ireo, tao Antsororoky, 2km tsy hidirana an’Antsalova. Isan’ny niharan-doza niaraka taminy tamin’izany i Pascal Ginet Lico, zanany, izay vao 13 taona monja tamin’izany, saingy efa niaraka nanao fampisehoana tamin-dreniny, nively apongamaroanaka. Ity zanany ity rahateo no nandimby ny anaran-dreniny, ka mitondra ny anaran-tsehatra : Lico Kininike, ankehitriny.

Hetsika ara-kolontsaina

Ho fahatsiarovana ny faha-folo taona nahafatesan-dRasoa Kininike, dia mikarakara hetsika i Lico Kininike, ny 28 septambra 2024 izao, ao amin’ny Cité Poste Toliara, Faritra Atsimo Andrefana. Hisy, mandritra izany, ny fampisehoana hiarahany amin’ny mpanakanto maro, toa an’i Tirike, Mizeha, Rebona, Mirasoa…Hisy ihany koa ireo hetsika ara-kolontsaina ho fanehoana ny kolontsaina mampiavaka iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, izay tany fiavin-dRasoa Kininike. Ao Tongobory, Distrikan’i Betioky rahateo, no milevina ity Mpanjakavavin’ny Tsapiky ity.

Lire la suite

Articles Similaires