• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minsanp
Image
Vaovao

Fampiasana fandrindram-piterahana : Efa nihoaran’i Madagasikara ny tanjona 3,8 tapitrisa

25/09/2024 16:43 © Moov.Mg

Manatrika ny dinika momba ny famatsiambolan'ny fananahana ara-pahasalamana, izay tanterahina any New York, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo. Isan’ny nisongadina, nandritra izany, ny maha-maodely an’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana fomba fandrindram-piterahana.

Firenena maodely

Iray amin’ireo firenena mpandray anjara amin’ilay fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, FP2030, i Madagasikara. Tanjona napetraky ny firenena malagasy, ao anatin’io fifanarahana io, ny hanatrarantsika ny taham-pampiasana fanabeazana aizana 60% hatramin’ny taona 2030, ny hampidinana ny tahan’ny tsy fahafaham-pon’ireo mpampiasa ny tolotra fandrindram-piterahana ho 8%, raha toa ka mbola nitaha tany amin’ny 15% izany. Tanjona ihany koa ny hamerana ny isan’ny zaza ateraka, ho zaza 3 isaky ny vehivavy. Etsy an-daniny, nametraka ny drafitrasam-pirenena ho an’ny fandrindram-piterahana, taona 2024-2028 ny fitondram-panjakana malagasy, izay efa nankatoavina tao anatin’ny Filàn-kevitry ny minisitra, tamin’ny volana jona 2024. Ankoatra izay dia nitombo avo 25 heny ny teti-bola natokan’ny Fanjakana hividianana fanabeazana aizana, tao anatin’ny dimy taona, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

Tratra ny tanjona

Araka izany, sehatra nanaovan’i Madagasikara ezaka goavana ny momba ny fandrindram-piterahana, izay fomba iray azo entina miady amin’ny fahantrana. Tanjona, araka ny tatitry ny Filàn-kevitry ny minisitra tamin’ny volana jona, ny hampitomboana ny fampiasana ireo fandrindram-piterahana ho 2.800.000 hatramin’ny 5.100.000, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'ireo mpiantsehatra rehetra. Nandritra ity fifanakalozan’ireo firenena maro, momba ny fandrindram-piterahana, any New York ity, dia niarahaba manokana ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, izay mitarika ny delegasiônina malagasy any an-toerana, Rtoa Danielle Engel, mpanolo-tsaina momba ny fahasalamana ara-pananahana eo anivon’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA). Voalazan’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa raha 3,8 tapitrisa ny tanjona tokony hotratrarina eo amin'ny mpampiasa ny fandrindrana fiainam-pianakaviana mahatoky, ho an'ny taona 2024, dia efa mihoatra lavitra ny tanjona isika ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires