• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Energeek
Image
Vaovao

Toetr’andro : Feno ny fepetra hahafahana mandatsaka orana artifisialy

25/09/2024 15:51 © Moov

Mangatsiatsiaka sy somary mitsoaka ny rivotra, izany no toetr’andro mamaritra ny afovoan-tany amin’izao fotoana izao raha ny fanazavana avy ao amin’ny Sampana Mpamantatra ny toetr’andro (Météo Madagascar). Izany indrindra no fepetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny orana artifisialy. Feno ny fepetra hoy ny avy ao Météo Madagascar saingy miankina amin’ny JIRAMA sisa.

Famatsiana herinaratra

Anisan’ny tanjona lehibe indrindra amin’ny fanatanterahana izany orana artifisialy izany ny hahafahana mamaha amin’ny ampahany ny famatsiana herinaratra. Amin’ny ankapobeny mantsy, raha ny fanazavana avy amin’ny JIRAMA hatrany dia ny tsy fahampian’ny tosiky ny rano no mahatonga ny jiro tapatapaka matetika. Araka izany, hanampy amin’ny famerenana io olana io amin’ny laoniny ny fanatanterahana azy. « Azo araraotina tsara ny toetry ny andro ato anatin’ny telo andro izao. Miankina amin’ny orinasa JIRAMA kosa anefa no hahafahana manatanteraka izany », hoy ny avy ao amin’ny Météo Madagascar. Marihina rahateo faefa ny volana aogositra lasa teo no efa naminavina ny handatsaka orana artifisialy ny orinasa JIRAMA mba ho vahaolana amin’izany fahatapahan-jiro izany. Zava-dehibe ho an’ny mponin’Antananarivo izany ka mety kokoa ny fanararaotana ny toetr’andro toy izao.

Hiverina hafana

Haharitra hatramin’ny rahampitso ny tsiokan’ny alizay izay mitondra hatsiaka kely amin’ny mari-pana. Any amin’ny zoma sy ny faran’ny herinandro any kosa vao heverina hafana tsikelikely indray izany, hoy hatrany ny fanazavana. Mety hitondra orana na erikerika kosa izany ho an’ny ilany atsinanana sy ny andrefana-atsimo iny. Hiaina masoandro betsaka kosa ireo toerana hafa. Hatreto dia manodidina ny 25° hatramin’ny 33° ny mari-pana ambony indrindra manerana ny Nosy. Mbola baraingo ihany koa araka izany ny fotoana mety hiverenana amin’ny fahatsaran’ny fepetra handatsahana orana artifisialy aorian’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires