• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Hetsika « Salon de l’Auto de Madagascar » : 1.000 Ar dia mety hahazoana fiara vaovao

25/09/2024 15:33 © Moov.Mg

Fiara raitra sy hiaka farany. Ireo no haranty mandritra ny hetsika « Salon de l’Auto de Madagascar ». Ny 10 hatramin’ny 13 ôktôbra izao no hanatanterahana ny andiany faha-14, eny amin’ny CCI Ivato. Ankoatra ny fihenam-bidy hatolotra mandritra io fotoana io, dia fomba iray mety hahazoana fiara raitra ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny lalao « Jeu Tombola SMS ».

Fiara mikajy ny tontolo iainana

« Fifamoivoizana lovainjafy » (Mobilité et Durabilité) no lohahevitra hovoizina mandritra ny hetsika « Salon de l’Auto de Madagascar », amin’ity taona 2024 ity, izay karakarain’ny Groupement des Concessionnaires Automobiles de Madagascar (GCAM), ary eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Araka izany, dia hahazo vahana manokana ireo fitaterana mikajy kokoa ny tontolo iainana, toy ireo fiara mandeha amin’ny herinaratra sy ireo fiara « hybrides ». Isan’ny zava-baovao ho entin’ity « Salon de l’Auto » andiany faha-14 ity rahateo izany. Etsy an-daniny, hanamarika ny hetsika ihany koa, ny fahafahan’ireo mpitsidika eny amin’ny CCI Ivato, manatrika ny fiaingan’ireo fiara mpandray anjara amin’ny Grand Rallye International de Madagascar, ny zoma 11 ôktôbra.

Lalao hahazoana loka

Amin’ny hetsika tahaka izao dia fiara raitra sy mahavariana no arantin’ireo mpandray anjara, amin’ny ankapobeny. Samy hamoaka ireo hiaka farany ananany ireo mpivarotra fiara rehetra. Ho afaka mividy izany amin’ny sarany nasiam-pihenam-bidy ireo mpanjifa, mandritra izany. Misy ihany koa ny fanamorana ny fandoavana ny vidin’ireo fiara, izay hiarahan’ny GCAM miasa amin’ireo banky eto amintsika. Ankoatra izay dia misy ny lalao « Jeu Tombola SMS », karakarain’ny GCAM miaraka amin’ny TELMA, izay mety hahazoana fiara vaovao, « scooter », finday avo lenta sy loka maro hafa avy amin’ireo mpanohana. Ireo manana laharam-pinday Telma no afaka mandray anjara amin’izany. Alefa SMS amin’ny « 0343400777 » ny hoe : « SALONAUTO » miampy anarana feno. 1000 Ar ny saran’izany someso izany. Efa mandeha ny lalao amin’izao fotoana izao ary mifarana amin’ny 13 ôktôbra, andro hanatanterahana ny fisarihana, eny amin’ny CCI Ivato. Tsy voafetra ny isan’ny fandraisan’anjara ho an’ny olona iray, fa afaka mandefa someso foana isan’andro, mba hampitomboana ny vintana.

Lire la suite

Articles Similaires