• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sma
Image
Vaovao

Fitantanana ny fako : Ho akatona atsy ho atsy ny toeram-panatobiana fako eo Andralanitra

25/09/2024 15:09 © Moov

Nanapakevitra ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ireo Ministera tompon’andraikitra ary ny Société Municipale d’Assainissement (SMA) fa ho akatona ny toerana fanatobiana fako eo Andralanitra. Nidina ifotony teny an-toerana izy ireo androany nijery ny fomba mety hanatanterahana izany sy ny fepetra mbola mila andrasana.

Tetikasam-panjakana

« Efa tonga ny fetra farany hahafahan’Andralanitra mandray fako. Efa manomana ny fanakatonana ity toerana ity isika amin’izao fotoana izao », hoy ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny tanànan’Antananarivo. Marihina mantsy fa miha-mitombo ihany koa ny fako angonina eto Antananarivo. Manodidina ny 800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ihany koa ny fako mivoaka eto Antananarivo raha ny fanazavana. Vokatr’izany dia efa eo ho eo amin’ny 30m eo ny haavon’ny fako mivangongo ao Andralanitra. Izany rehetra izany no antony hanakatonana io toerana io. Mitatitra fako hatramin’ny 155 miverina isan’andro ireo fiara lehibe raha ny fanazavana. « Ho fandrindrana ny tanàna araka izany dia efa manana tetikasa ihany koa ny Filoham-pirenena amin’izao fotoana izao ny amin’ny fitantanana ny fako aoriana kely ao ary ihany koa ny fanodinana ireto efa miangona ireto », hoy hatrany ny fanazavana. Anisan’ny olana goavana mbola sedrain’ny tanànan’Antananarivo ity fitantanana fako ity ka zava-dehibe indrindra ity fandraisana fanapahan-kevitra ity.

Fiaraha-miasa

Mialohan’ny fanatanterahana izany hevitra izany anefa dia mbola mandeha avokoa ireo asa rehetra eny an-toerana. Efa maro ireo fikambanana sy mpiara-miombon’antoka amin’izany asa izany. Ao anatin’izany ny JICA izay hanampy indrindra amin’ny fiarovana ny mponina amin’ny mety ho firehetan’ny fako tampoka na ny fihotsahan’izany. Eo ihany koa ireo orinasa tsy miankina sasany efa manatanteraka ny fanodinana ny fako sy mametraka fotodrafitrasa hiarovana ny mponina eny an-toerana sy ny manodidina. Marihina fa ny 75% ny fako dia ireo fako tsy mety loa toy ny plastika sy harona plastika, hoy ny avy ao amin’ny SMA. Izany indrindra no mbola hiantsoana ireo izay te hiara-hiasa amin’ny fanodinana sy ny fitantanana ireo fako ireo. Tsara ihany koa ny manamarika fa fako efa nanomboka tamin’ny taona 1966 ireo mivangongo ao Andralanitra ireo ary izany indrindra no tokony hikarakarana azy.

Lire la suite

Articles Similaires