• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Fifidianana : Mbola tsy manana kandida ho fidiana ho ben’ny tanàna ny Kaominina Antananarivo

25/09/2024 11:58 © Moov

Hifarana rahampitso alakamisy ny fametrahana antontan-taratasy filatsahana ho fidiana Ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina. Hatramin’izao dia mbola tsy nisy kandida nametraka ny antontan-taratasiny tetsy amin’ny OVEC an’ny tanànan’Antananarivo etsy Isotry. Ny kandida avy amin’ny antoko IRMAR sy ny TIM ihany koa no tena andrasan’ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao.

Tsy tokony hiandry farany

Miantso ireo izay mieritreritra ny hilatsaka ho fidiana ny Filohan’ny OVEC etsy Isotry ny mba hialana amin’ilay miandry farany hatrany. « Manana tombony kokoa ireo izay manatona mialoha manatitra ireo antontan-taratasiny. Raha miandry farany mantsy dia tsy hisy intsony ilay 48 ora aorian’izany hahafahana mameno ny antontan-taratsy raha misy ny tsy fahampiana », hoy i Rakotoson Andriamihaja Jimmy, Filohan’ny OVEC Tanà Ville. Raha tsiahivina dia efa nahemotra herinandro rahateo ity fe-potoana farany fanaterana antontan-taratasy ity. Araka izany, ireo izay manatitra ny taratasiny ho amin’ny rahampitso dia tsy manam-potoana intsony hanitsiana sy hanamboarana ary hamenoana izay mety ho diso sy tsy ampy. Nanamarika ihany koa ity Tompon’andraikitra ity fa efa maro ireo manontany fanampim-panazavana momba ny antontan-taratasy saingy mbola tsy nisy ny kandida na iray aza. « Ho an’ny Distrika enina eto Antananarivo ny fisianay. Angamba efa maherin’ny 600 ny olona naka ny fanamarihana fa misoratra tanteraka ao anatin’ny lisi-pifidianana izy ireo », hoy hatrany ny fanazavana. Izany indrindra no hanentanana ireo izay maniry hilatsaka ho fidiana mba tsy hiandry farany intsony.

Kaominina 1 281 amin’ny 1 693

Aty amin’ny ray andro mialohan’ny fiafaran’ny fametrahana antontan-taratasy dia mbola maro ireo Kaominina tsy manana kandida. Miisa 1 281 amin’izao ny Kaominina efa manana kandida amin’ireo 1 693 manerana ny Nosy. Nanamarika anefa ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) fa efa tapaka hoe ny 11 desambra ny fifidianana ary heverina tsy hisy fiovana izany. Ao anatin’ireo Kaominina ireo dia miisa 2 444 ny lisitry ny kandida efa nanatitra ny taratasy teny anivon’ny OVEC manerana ny Nosy. Avy amin’ny tsy miankina ny 1 048 raha avy amin’ny antoko politika kosa ny 433 ary avy amin’ny vondrona antoko politika kosa ny 963 amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires