• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Voly fanondrana : Nahazo fankatoavana ny fenitra malagasy mikasika ny lavanila

25/09/2024 10:46 © Moov

Notanterahana tany Toamasina ny Atrik’asa fankatoavana ny fenitra malagasy momba ny lavanila, ny herinandro lasa teo. Niaraha-nanaiky tany an-toerana araka izany ny fepetra nasionaly hamaritana ny sokajin-davanila Malagasy. Tanjona amin’izany ny hiarovana hatrany ny kalitaon’ny lavanila avy eto Madagasikara.

Tsara kalitao

Mbola mijanona ho tsara kalitao hatrany ny vokatra lavanila eto Madagasikara. Anisan’ny tanjona tamin’ity atrikasa ity ny hiarovana hatrany io kalitao io mba ho mendrika hatrany ny voly haondrana avy eto Madagasikara. Raha tsiahivina dia isika eto Madagasikara no mifehy ny 80%-n’ny famokarana lavanila manerantany. Ity atrikasa ity araka izany dia zava-dehibe ho an’ireo tantsaha sy ireo mpandraharaha amin’io sehatra io. Indrindra hahazon’ny firenena tombony ihany koa izany. Tapaka araka izany nandritra io atrikasa io ny famaritana ny lavanila vaky, ny hametrahana ny « Firenena niotazana ny lavanila » hamidy amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny mahakasika ny tahan’ny hamandoana sy ny tahan’ny vanilinina ary ny fomba fanatanterahana ny fanadihadiana simika ny lavanila araka ny fenitra ISO. Marihina fa efa tamin’ny volana febroary 2024 no efa niverina namaly ny fenitra eropeanina ny lavanila malagasy. Fomba hahafahana mitazona izany fenitra izany araka izany ity atrikasa tany Toamasina ity.

Mpisehatra rehetra

Nandray anjara tamin’ny Atrikasa tany an-toerana ireo mpisehatra amin’ny lavanila rehetra nahitana ny avy amin’ny tantsaha mpamokatra, ny mpandraharaha izay efa ela no nangataka ny fiaraha-miasa mba ho fiarovana ity famokarana ity. Teo ihany koa ny mpanondrana na mpikirakira, ny sampandraharaham-panjakana, ireo rafitra mpanohana ny seha-pihariana. Tao anatin’izany ohatra ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), ireo avy ao amin'ny DRAE, ny FOFIFA, ny manampahaizana manokana eo amin'io sehatra io. Etsy andaniny dia nahafahana nanatanteraka izany Atrik’asa izany ny fiaraha-miasa tamin’ny DRIC Atsinanana, ny CNCA, BNM, SQC, GEVM sy ny SEVAM ary SAHANALA.

Lire la suite

Articles Similaires