• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Aretina haromotana : Biby 50 isan-taona no voany eto Madagasikara

24/09/2024 16:44 © Moov.Mg

Iray amin’ireo firenena mbola tena ahitana trangana haromotana i Madagasikara. Tsy mamela mahazo ity aretina ity, satria tsy misy fanafana rehefa voany, saingy tsy sarotra kosa ny fisorohana ary misy ny vaksiny azo entina miaro tena. Izany indrindra no hampahafantarina mandritra ny fampirantiana hotanterahina eny amin’ny AFT Andavamamba.

Mifindra amin’ny olombelona

Araka ny fanadihadiana navoakan’ny Institut Pasteur de Madagascar, dia manodidina ny 50 isan-taona no isan’ny biby voamarina fa tratran’ny haromotana eto Madagasikara. Araka ny nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) kosa dia avy amin’ny alika avokoa ny 99% amin’ireo trangana haromotana hita amin’ny olombelona. Aretina mpahazo ny biby mafana rà moa izy ity, ary mety hifindra amin’ny olona. Isan-taona dia tombanana ho olona miisa 59 000 maneran-tany no mamoy ny ainy vokatry ny haromotana. Azo atao tsara anefa ny misoroka azy ary tena mandaitra izany, dia amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny ny alika sy ny saka, ary koa amin’ny alalan’ny fampihenana ny tahan’ny fitombon’ny alika, amin’ny famotsirana azy.

Fanentanana sy fanabeazana

“Mbola mahafaty ny haromotana kanefa azo sorohina izany” (La rage tue encore, mais on peut l’éviter). Io no lohahevitry ny fampirantiana hotanterahina eny amin’ny Alliance Française Andavamamba Antananarivo, ao anatin’ny tetikasa CORAMAD (tetikasa fanaraha-maso ny haromotana eto Madagasikara), manomboka ny 30 septambra hatramin’ny 5 ôktôbra 2024. Mandritra ireo andro ireo dia hisy ny fanentanana sy fanabeazana momba ny ady amin’ny haromotana. Ny 1 ôktôbra kosa dia hisy famelabelaran-kevitra arahina kilalaon-tsaina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny hetsika, ankoatra izay, ny fampisehoana fomba fitaizana alika, ary ny hetsika maro hafa.

Raha tsiahivina, ny tetikasa CORAMAD dia miara-miasa amin’ny CIRAD aty atsimon’i Afrika sy Madagasikara ary ny Institut Pasteur de Madagascar. Ny masoivoho frantsay no mamatsy vola azy ary miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Tsara ny manamarika fa ny 28 septambra no andro maneran-tany iadiana amin’ny haromotana.

Lire la suite

Articles Similaires