• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : Nahitana fihenana ny loza teny amin’ny lalam-pirenena nandritra ny fotoam-pialantsasatra

24/09/2024 16:14 © Moov

Vokatra tsara teo amin’ny lafiny fifamoivoizana. Nihena ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena nandritra ny fotoam-pialantsasatra teo raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mbola tatitra avy amin’ny tobim-piantsonana Makis Andohatapenaka izany fa mbola tsy nisy ny antontan’isa ofisialy avy amin’ny Tompon’andraikitra.

Fanentanana sy fampiofanana

Vanim-potoana maha-betsaka ny mpampiasa lalam-pirenena ny fialantsasatra lehibe tahaka ireny fotoana ireny. Anisan’ny nahitana fifamoivoizana betsaka ny teny amin’ny RN2 sy ny RN4 kanefa nihena ny loza. Anisan’ny nahatonga izany fihenana izany ny fampianarana sy ny fampiofanana ary ny fanentanana samihafa teny amin’ny tobim-piantsonana. « Maro ireo fampiofanana natao ireo mpamily ety amin’ny tobim-piantsonana. Hiarahana miasa amin’ny ATT ny DGSR sy ny Minisiteran'ny fitaterana izany. Anisan’ny zava-dehibe indrindra nampahafantarina azy ireo fa mitana anjara toerana lehibe indrindra eny amin’ny lalana ny mpamily ka anisan’ny nahitam-bokany izany », hoy ny Tompon’andraikitra ao amin’ny Makis Andohatapenaka. Tafiditra tao anatin’ny dingana nampahomby izany tanjona izany ihany koa ny fisavana alohan’ny hiainga eo amin’ny toby. Fiaraha-miasa amin’ny ATT izany ka natao indrindra hanaraha-maso farany ny fiara izay hihazo ny lalam-pirenena. Fepetra tsara noraisina ary mbola hotohizana hatrany izany raha ny fanazavana mba ho tombontsoan’ny daholobe.

Nitombo ny mpandeha

Anisan’ny antony natahorana hitondra ny loza ihany koa ny fitombon’ny fiara niasa nandritra iny fotoam-pialantsasatra iny. Amin’ny ankapobeny dia nahitana fitombony hatramin’ny 20% ny isan’ny fiara niainga, hoy ity Tompon’andraikitra ity. « I Mahajanga no betsaka mpandeha indrindra tamin’ity taona ity. Fiara 70 hatramin’ny 80 isan’andro no niainga teto aminay tamin’ireny saingy tsy dia nahitana loza betsaka loatra izany », hoy hatrany ny fanazavana. Samy efa mahafantatra ny anjara toerany amin’ny fifampiarovana rahateo ny rehetra ka anisan’ny nanampy betsaka izany. Etsy andaniny anefa dia mbola misy ny lesoka mila harenina mba hahafahana manatanteraka ny fialan-tsasatra hieren-doza tanteraka eny amin’ny lalam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires