• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Amp
Image
Vaovao

Fiainana andavan’andro : Efa miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny vidim-bary ao Benenitra

24/09/2024 15:42 © Moov

Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny vidim-bary ao Benenitra raha ny fanazavan’ny Solombavambahoaka ao an-toerana. Roa herinandro izay no niakatra hatramin’ny 1 700 ny kapoakan’ny vary ary nampimenimenina ny mponina izany ary nahagaga rahateo. Nisy ny vahaolana noraisina ka voavaha amin’ny ampahany ny olana amin’izao fotoana izao. Niverina ho 800 ariary izy amin’izao raha tokony ho 500 ariary any ho any.

Tsy fahampian’ny vokatra

Nanao antso avo tamin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra sy ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ireo tompon’andraikitra ao Benenitra ny amin’ny hijerena vahaolana maharitra ho an’ny mponina. Nisy araka izany ny fidinan’ny mpiasan’ny Ministera tany an-toerana nijerena ny olana sy ny vahaolana afaka hatolotra. Tamin’izany no nahitana fa tsy ampy ny vokatra misy eo an-toerana ka tsy ampy amin’ny filàn’ny vahoaka ny zava-misy. « Tsy ampy ny voka-bary tany an-toerana ho amin’ny taona lasa teo. Etsy andaniny anefa dia tsy misy mpandraharaha mamatsy vary ihany koa any an-toerana », hoy ny Solombavambahoaka, Masy Céléstin. Araka izany, io famatsiana io indrindra no heverina ho olana nahatonga ny fiakaran’ny vidim-bary.

Olana ara-tontolo iainana

Faritra iray anisan’ny mitondra takaitra betsaka amin’ny fiovan’ny toetr’andro i Benenitra. Ao anatin’izany ny tondra-drano noho ny rivo-doza. Anisan’ny nanimba ny tanimbary indrindra izany tondra-drano izany ho an’ny taona 2023 ka nampihena ny voka-bary. Izany olana izany indrindra no tena nangatahan’ireo tompon’andraikitra mba hikarohana vahaolana maharitra. « Io vahaolana io no angatahina mba hialana amin’ny fiverenan’ny olana toy izao indray », hoy hatrany ny Solombavambahoaka. Nanatintrantitra ihany koa ity Solombavambahoaka ity fa mbola misy roa volana vao miakatra ny vary any an-toerana ka tokony ho arahi-maso hatrany io vidin’entana io.

Lire la suite

Articles Similaires