• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msanp
Image
Vaovao

Ady amin’ny VIH/Sida : Nidina ifotony teny 67 Ha ny ekipan’ny ministeran’ny Fahasalamana

24/09/2024 11:12 © Moov.Mg

Raha ny antontan’isa ôfisialy dia mbola latsaky ny 0,5% ny tahan’ny olona mitondra ny VIH eto Madagasikara. Samy miara-milaza avokoa anefa ireo mpisehatra amin’ny fanentanana sy ny fitiliana ity aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ity, fa mihamitombo isa hatrany ireo olona voatily, ka fantatra fa voan’izany.

Vondron’olona marefo

Isan’ireo firenena nahitana taham-piakaran’ny olona tratran’ny VIH/SIDA i Madagasikara, nanomboka ny taona 2015, araka ny tatitry ny ONUSIDA tamin’ny taona 2022. Raha ny tsikaritr’ireo mpisehatra isan-karazany, toy ny fikambanana Hygeia Medical, dia eo amin’ireo tanora eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 24 taona, no tena mirongatra ity aretina ity ankehitriny. Misy ihany koa anefa ireo vondron’olona marefo kokoa noho ny hafa eo anatrehan’ny aretina VIH/Sida, dia ireo lehilahy miaraka amin’ny lehilahy, izay tombanana ho 15% ny tahan’ny fitondrana ny otrikaretina VIH eo amin’izy ireo ; ireo mpitsindrona zava-mahadomelina, izay manana taha 7% ; ary ireo mpivaro-tena, izay tombanana ho manana taha 5% amin’ny fitondrana ny otrikaretina.

Toerana maresaka

Isan’ireo anaovana fanentanana manokana amin’ny fampiasana kapaoty sy fanaovana fitiliana matetika, ireo vondron’olona marefo ireo. Tamin’iny herinandro las ainy izao dia nidina teny amin’ny faritr’i 67 Ha iny ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, fidinana ifotony izay efa fanao isan-kerinandro, araka ny fampitam-baovao. Nosafidiana kosa i 67 Ha, tamin’ity indray mitoraka ity, noho izy isan’ny tanàna maresaka eto Antananarivo renivohitra, rehefa tonga ny hariva sy ny alina. Toerana ifamezivezen’ny mpivaro-tena sy ny mpanjifany ihany koa, noho izany, iny faritra iny. Nandritra ity fidinana ifotony ity dia kapaoty miisa 700 no nozaraina tamin’ireo mpampanofa sy mpanjifa fahafinaretana. Olona 55 isa kosa no nanao fitiliana VIH/Sida.

Mampahatsiahy ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka fa an-tsitrapo no fanaovana ny fitiliana VIH/Sida, maimaim-poana ihany koa izany eto amintsika, ary voatazona ho tsiambaratelo ny mombamomba ilay olona manao fitiliana sy ny vokatr’izany fitiliana izany.

Lire la suite

Articles Similaires