• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fampianarana : Niakatra hatramin’ny 75% ny fazotoan’ny mpianatra ho eny amin’ny teknika

24/09/2024 09:33 © Moov

Natomboka omaly tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2024-2025 ho an’ny fampianarana teknika. Raha ny antontan’isa, hoy ny Minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa dia niakatra hatramin’ny 75% eo ny tahan’ny mpianatra lasa liana amin’izany sehatra izany. Misedra olana anefa izy ireo noho izay fitombon’ny mpianatra izay.

Fahavitsian’ny fotodrafitrasa

Noho io fitombon’ny mpianatra manomboka miakatra foana io dia manana olana ihany koa izy ireo ao anatin’izany sehatra izany. Amin’ny ankapobeny dia lasa tsy ampy ny fotodrafitrasa hianarana. « Ny fotodrafitrasa efa tranainy, tsy ampy izany raha mitaha amin’ny fitadiavana eo amin’ilay sehatra. Betsaka ihany koa ny te hiofana fa tsy ampy ny fahafahana mandray eny amin’ny ivon-toerana ka voatery sakanana ny ankizy sasany. Etsy andaniny anefa ny tanora dia manjary tena miazakazaka amin’ity sehatra ity », hoy ny Minisitra, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Araka izany, zava-dehibe ny fampitomboana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa. Ho amin’izany tanjona izany indrindra no antom-pisian’ny fihaonana teo amin’ny Minisitra sy ny solontena maharitry ny USAID omaly. Anisan’ny noresahina tamin’izany ny momba ny fanatsarana ny fotodrafitr’asa. Nanambara ny fahavononany amin’izany sahady rahateo ny USAID.

Hanarina ny ekonomia

« Tsy diso safidy ianareo fa ato amin’ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa no lakile hitondra anareo any amin’ny tanjona izay irinareo », hoy ny Ministra, Rasoloarisoa Marie Marcelline tetsy amin'ny LTPGC Mahamasina sy CFPF Tsimbazaza. Tao anatin’izany no nanazavany fa ireto mpianatra ireto no hanarina ny ekonomian’ny Madagasikara. Raha tsiahivina mantsy dia maro dia maro ireo karazana fampiofanana afaka arahina ao. Aorian’ny fampiofanana dia efa hirariana sahady ireto mpianatra ireto ny hanangana ny orinasany manokana mba ho amin’izany tanjona ara-ekonomika izany. Ny famahana ireo olana isan-karazany toy io olan’ny fotodrafitrasa io anefa no tokony himasoana voalohany aloha. Ao ihany koa ny fanampiana ny sekoly amin’ny fampitaovana izay hahafahan’ny mpianatra manao fampiharana.

Lire la suite

Articles Similaires