• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

MICS 7 : Hotanterahina amin’ity taona ity ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankizy sy ny vehivavy andiany faha-7

23/09/2024 16:40 © Moov

Notanterahina androany ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanadihadiana manodidina ny toe-piainan’ny ankizy sy ny vehivavy andiany fahafito na ny MICS 7. Raha tsiahivina dia ny taona 2018 no nisian’ny MICS 6 farany. Hotanterahin’ny INSTAT manerana ny Nosy hatramin’ny volana desambra 2024 izany asa izany. Tanjona amin’izany ny handrefesana ny fivoaran’ny ankizy sy ny vehivavy tao anatin’ny herintaona.

Enina tapitrisa dolara

Fanadihadiana ho tanterahina amin’ny faritra miisa 23 manerana ny Nosy ity kasaina ho atao ity. Tokantrano miisa hatramin’ny 21 000 no hanatonana amin’izany. Vola mitentina 6 000 000 dolara kosa no hahetsika ao anatin’ny asa. Ny USAID sy ny UNICEF no miara-misalahy amin’ny Madagasikara mamatsy vola izany asa izany. Marihina rahateo fa asa lehibe ity ho tanterahina ity satria lehibe ihany koa ny tanjona. « Andrasana amin’ity andiany faha-fito ity ny hanatrarana ny 43% amin’ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy (ODD) sy ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana », hoy i Razafimiarantsoa Tovonirina, tale misahana ny antontanisa ao amin’ny INSTAT. Ho jerena ao anatin’io asa io araka izany ny fivoarana misy eo amin’ireo ankizy sy ny vehivavy. Hahafahana manara-maso ny fivoarana ity fanadihadiana ity mba hahafahana mamolavola ny fandaharan'asa sy ny drafitra isan-tsehatra vaovao indray.

Sehatra marolafy

Hahafahana manatratra ireo tanjona ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ireo dia mivelatra amin’ny sehatra isan-karazany ny fanadihadiana. Ao anatin’izany ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ny fanabeazana sy ny fiarovana ny ankizy, ny mikasika ny VIH/SIDA ary ny rano sy ny fidiovana. Tsara ihany koa ny manamarika fa tamin’ity andiany fahafito ity vao nampidirina izany resaka manodidina ny rano sy ny fidiovana izany. « Mandeha amin’ny onja ity fanadihadiana ity ary misy hatrany ny fivoarana. Tamin’ity onja faha-fito ity izao vao nampidirina ny rano sy ny fidiovana mba hahafahana mahazo fanampin’ny angon-draikitra ilaina », hoy hatrany ny fanazavana. Ilaina avokoa mantsy izany rehetra izany mba ho amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy aoriana kely ao.

Lire la suite

Articles Similaires