• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Andro eran-tany ho an’ny farmasianina : Handinihana ny filàna ara-pahasalamana maneran-tany

23/09/2024 16:28 © Moov.Mg

Homarihina ny 25 septambra 2024 ny andro eran-tany ho an’ny farmasianina. Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra no hampiantrano ireo hetsika ho entina mankalaza izany, amin’ity taona ity.

Hetsika maro isan-karazany

Rantsa-mangaika iray manana ny maha-izy azy ao anatin’ny sehatry ny fitsaboana ny fivarota-mpanafody, ka tsy azo amaivanina. Ireo farmasianina no afaka manome fanafody azo antoka sy manaraka ny fenitra takiana ary nahazo alalana. Voararan’ny lalàna rahateo ny fivarotana fanafody tsy nahazoana alalana, izay mety hiteraka olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Ny hampahafantarana bebe kokoa izany asa izany, sy ny maha-zava-dehibe ireo farmasianina, no isan’ny antom-pisian’ny andro eran-tany natokana ho azy ireo, izay marihina isan-taona. Eo amin’ny araben’ny fahaleovantena Antsirabe no hanatanterahana ny fankalazana nasiônaly, ny 25 septambra izao. Hisy, mandritra izany, ny trano heva fampirantiana isan-karazany, ny fanentanana miompana amin’ny loza ateraky ny fanaovana dokotera tena sy ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna ; ny maha-zava-dehibe sy saropady ny taratasim-panafody. Hisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy fitiliana ny aretina tazomoka, diabeta ary ny fiakaran'ny tosi-drà.

Herinandro ho an’ny farmasia

Hitohy avy hatrany amin’ny herinandro ho an’ny farmasia izany, ny 26 sy 27 septambra, ao amin’ny Arotel Antsirabe. Hatokana ho an’ireo matihanina sy ireo mpianatra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana kosa ireto roa andro ireto. Hisy ny fampirantiana sy fampahafantarana momba ny tontolon’ny fanafody ; ny famelabelaran-kevitra miompana amin’ny lohahevitra samihafa, toy ny tombon-tsoa azo avy amin’ny ranomafanan’Antsirabe, ny toeran’ny zavamaniry fanao fanafody eo amin’ny andavanandrom-piainana, ny fianarana momba ny farmasia any am-pitan-dranomasina…
Lohahevitra voizina mandritra ny andro eran-tany ho an’ny Farmasianina, amin’ity taona 2024 ity, ny hoe : « Farmasianina : miatrika ny filàna ara-pahasalamana maneran-tany ».

Lire la suite

Articles Similaires