• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Oif Océan Indien
Image
Vaovao

Antananarivo : Ankizy maherin’ny 3000 efa nisitraka ny fizarana kopia faobe

23/09/2024 15:25 © Moov

Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fizarana kopia faobe ho an’ny zaza sy ny ankizy mbola tsy manana izany. Efa maherin’ny 3000 ny kopia voazara tamin’ity volana septambra ity teto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hitohy amin’ny boriborintany hafa rehetra izany raha ny voalohany sy fahaefatra no efa nahazo. Fiaraha-miasa amin’ny Vondron'ireo firenena mampiasa ny teny frantsay (OIF) ity fandaharan’asa ity.

Fitsinjovana ny mponina

Zon’ny ankizy ny hisitraka kopia na taratasy fanamarinam-pahaterahana. Ny ankizy rehetra vao teraka dia tokony efa manana izany. Maro amin’ireo Ray aman-dReny anefa no tsy manamboatra izany ho an’ny zanany noho ny olana ara-bola sy ny tsy fahalalana na ihany koa ny fahatahorana. Araka izany, ho fitsinjovana ny mponina dia ny fitsarana indray no manatona azy ireo mba hanalefahana ny fahasahiranana sy ireo olana isan-karazany. Tamin’ity volana oktobra ity fotsiny izao dia efa maherin’ny 3000 ny kopia voazara. Efa niisa 1 600 mahery ny teny amin’ny Boriborintany fahaefatra raha 1 500 eo ho eo ihany koa ny teo amin’ny boriborintany voalohany. Marihina fa zava-dehibe ny tokony hananana kopia. « "Zava dehibe tokoa ny fananan'ny olona tsirairay Kopia satria io no manamarika sy manaporofo fa teratany Malagasy izy. Ho ilainy amin’ny ho aviny rehetra ihany koa izany, toy ny fianarana sy ny fitadiavana asa" hoy ny Filohan'ny Delegasiona Manokan'ny tanànan'Antananarivo, Ramatoa Harilala Ramanantsoa.

Distrika 22 ao anatin’ny faritra 10

Hatramin’ny voalohany, ny OIF dia nanohana hatrany ny fanjakana malagasy tamin'ny lamina stratejika rehetra hita ho fanatsarana ny rafitra fisoratana anarana hahazoana kopia. Tao anatin’ny roa taona niasana izao dia miisa hatramin’ny 52.000 ny kopia nahaterahana ho an’ny ankizy no natao ara-dalàna. Tamin’ny alalan’ny « jugement supplétif » izany tany amin’ny faritra efatra teto Madagasikara. Amin’ity taona 2024 ity, hisitraka kopia amin’ny alalan’io stratejia io ny mponina avy amin’ny kaominina 304 miparitaka manerana ny distrika 22 sy ny faritra 10 manerana ny Nosy. Anisan’izany ny boriborintany 6 ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny Faritra Analamanga.

Lire la suite

Articles Similaires