• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Raketa Home
Image
Vaovao

Raketa SARL: Orinasa mpanao asa tanana mampiasa Malagasy miisa hatramin'ny 500

23/09/2024 14:13 © Moov

Orinasa ho an’ny malagasy. Ny karazana orinasa afaka mamorona asa ho an’ny Malagasy maro an’isa toy izany no andrasana amin’ireo mpandraharaha. Anisan’izany ny Raketa SARL izay orinasa mpanao asa tanana vita avy amin’ny raphia hita eny Ambohidratrimo eny. Amin’izao fotoana izao dia Malagasy maherin’ny 500 no ampiasain’izy ireo

Ankoatra ny maha orinasa mpamokatra azy dia efa manana ny toeram-pivarotany ihany koa izy eto Madagasikara, Raketa HOME izany.

Vokatra vita amin’ny tanana tanteraka

Mamokatra lamaody toy ny pôketra, satroka, haingo isan-karazany na ho an’olona izany na ho an’ny trano sy ny toerana samihafa izy ireo, ohatra amin’izany ny « abat-jour ». Io vokatra avy amin’ny raphia io no tena mampiavaka azy ireo. « Na dia asa tanana izany hoe vita tanteraka amin’ny alalan’ny tanana aza ny vokatra vokarinay dia nokaliana kosa izany ary efa vokatra avo lenta (produits raffinés) no mivoaka ny orinasa amin’izao fotoana izao », hoy i Ratsimba Henintsoa, tompon’andraikitra ny varotra anatiny izany hoe ao amin’ny Raketa HOME ary ihany koa assistante marketing an’ny Raketa SARL. Efa maherin’ny roapolo taona eo ho eo no nisian’ity orianasa ity. Ny fahaiza-manao sy ny traikefa ihany koa no efa azo lazaina ho mampiavaka azy ireo ao anatin’ity sehatra ity. Ankoatra ny raphia dia misy haingo toy ny « crochet » sy ny randrana samihafa ihany koa ireo vokatra. Ao anatin’izany dia miisa 120 ireo mpiasa raikitra raha miisa hatramin’ny 400 ihany koa ireo mpanao « crochet » izay miasa araka ny fotoana voatondro (employé saisonnier).

Manome vahana ny asa tanana malagasy

Anisan’ny vinan’ity orinasa ity ny hanome vahana ny asa tanana malagasy sy hampiroborobo izany. Ankoatra ny hoe manamboatra dia manondrana mankany ivelany ihany koa izy ireo. « Manondrana betsaka izahay kanefa tsy maintsy amin’ny kalitao tsara. Efa afaka mifaninana tsara mihitsy amin’ny mpanondrana iraisampirenena », hoy hatrany ny fanazavana. Amin’ny ankapobeny dia i Europe, Australie ary Amérique no tena mandray ny vokatra. Mahavita karazana zavatra miisa hatramin’ny 10 000 isam-bolana eo ny orinasa. Mba hahafahana mampisitraka ny asa tanana tsara kalitao ho an’ny Malagasy eto an-toerana ihany koa ny antom-pisian’ny Raketa HOME. Anatin’ny tanjona ho fanapariahana ny vokatra hatrany izany.

Lire la suite

Articles Similaires