• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fondation Axian
Image
Vaovao

Sekoly Telma : Misitraka EPP arifomba ny ao Vatomasina Vohipeno

23/09/2024 10:48 © Moov.Mg

Lasa fotodrafitrasa arifomba tanteraka ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) ao Ampanonoma Vatomasina, any amin’ny Distrikan’i Vohipeno, Faritra Fitovinany. Fiaraha-miasa teo amin’ny Fondation Axian sy ny fikambanana FIZANAKARA no nahavitana izany, ao anatin’ilay fandaharanasa Sekoly Telma.

Fotodrafitrasa natsaraina

Efitranon-tsekoly efa nisy, miisa 7, no natsaraina tao anatin’izany tetikasa izany. Namafisina ny fotodrafitrasa mba ho afaka miatrika ny loza voajanahary, toy ny rivo-doza izay mazàna no mahakasika iny Faritra iny. Nametrahana tambajotrana herinaratra ihany koa ny sekoly, mba ho afaka mampianatra ny mpampianatra ary mianatra ny mpianatra, na mihamaizina aza ny andro. Nasiana fanamboarana, ankoatra izay, ny fatsakana, izay miantoka ny fisitrahan’ny mpianatra fahadiovana sy fahasalamana. Etsy an-daniny, nananganana toerana hahafahan’ireo mpianatra misitraka fampisakafoanana an-tsekoly (cantine scolaire), ao amin’ity EPP ity. Mpianatra maherin’ny 500 isa no mahazo tombontsoa amin’izao fotodrafitrasa natsaraina izao.

Fampiroboroboana ny fanabeazana

Ny fikambanana FIZANAKARA, izay efa 50 taona izao no miasa ho an’ny fampandrosoana ny mponina ao Vatomasina, no nifanome tanana tamin’ny Fondation Axian, tamin’ity tetikasa Sekoly Telma ao Ampanonoma ity. Hatramin’ny volana septambra 2022 no efa nisy ny fandaharan’asa tanterahin’ny fikambanana, mba hanatsarana bebe kokoa ny tontolo ibeazan’ireo ankizy miisa 500, ao amin’ny EPP Ampanonoma Vatomasina. Isan’izany ny fandoavana ny saram-pisoratana anaran’ny ankizy 390 isa, ny fizarana fitaovam-pianarana, ny fanorenana fotodrafitrasa fidiovana… Ny Fondation Axian kosa dia manana tanjona ny hisitrahan’ny mponin’i Afrika manontolo, ireo tolotra fototra tokony ho azon’ny tsirairay, indrindra ho an’ny olona marefo. Tafiditra ao anatin’izany ny fanabeazana, izay ezahin’ny Fondation Axian ampiroboroboina ao anatin’ny fandaharanasa Sekoly Telma, nanomboka ny taona 2015.

Efa EPP miisa 7 no naorina, na nohatsarain’ny Fondation Axian, tany amin’iny tapany Atsimo Atsinanan’i Madagasikara iny, hatramin’ny niantombohan’ny fandaharanasa Sekoly Telma, toy ny EPP Tolongoina any Ikongo, ny EPP Ambalahosy any Manajary, ny EPP Tanambe any Manakara…

Lire la suite

Articles Similaires