• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

MIC - ONUDI : Manamafy ny fiaraha-miasany ho an’ny fampiroboroboana ny indostria

23/09/2024 10:37 © Moov

Tsy vitan’olon-tokana ny fampiroboroboana ny indostria, hoy ny minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), David Ralambofiringa. Izany indrindra no nahatonga ny fihaonana teo aminy sy ny solontena maharitry ny Rafitry ny Firenena Mikambana misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria (ONUDI). Iray ny tanjona dia ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Araka izany, hanamafy ny fiaraha-miasany ny roa tonta.

Fanodinana fako

Fihaonana namariparitan’ny roa tonta ny tetikasa azo tanterahana hidirana lalindalina kokoa amin’ny fiaraha-miasa mba hisy fiantraikany eo amin’ny vahoaka io fotoana io. Marihina moa fa mbola tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Filoham-pirenena ihany koa ny hanangana orinasa ho an’ny mponina eny ifotony. Hanampy amin’ny fahazoana asa sy ny velon-tena izany. Araka izany, ankoatry ny fanohanana mivantana ny fampiroboroboana ny indostria dia anisan’ny voaresaka tamin’ity fotoana ity ny tetik’asa fanodinana ny fako avy amin’ny indostria. Tanjona amin’izany ny hahazoana ethanol na hahazoana angovo. Ao anatin’izany ihany koa ny tantsoroka amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana, ny fampanarahana fenitra ny asa eny anivon’ny indostria ho antoka amin’ny fidiran’ny vokatry ny indostria eto Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Fiaraha-miasa maharitra

Efa niara-niasa tamin’ny Madagasikara hatrany ny ONUDI hatramin’izay. Ary mbola hihamafy izany fiarahana izany ho an’ny vahoaka malagasy rehetra. Raha tsiahivina dia efa nanohana tamin’ny fametrahana ireo orinasa mpamokatra siramamy roa any Antanamifafy, Faritra Boeny sy any Mahatalaky, Faritra Anosy ity rafitra ity. Nankasitraka izany hatrany ny Minisitra tamin’ny fifampiresahana nisy teo amin’ny roa tonta. Naneho ny fahavononany hiara-hientana amin’ny MIC ihany koa moa ny Solontena maharitry ny ONUDI sy ny mpiara-miasa aminy tonga tetsy Ambohidahy. Etsy ankilany dia hisokatra amin’ireo minisitera hafa ny fiaraha-miasa satria ilaina amin’ny fampiroboroboana ny indostria ny akora, ny angovo, ny fotodrafitr’asa na ny fitaterana, hoy hatrany ny Minisitra. Tsara ny manamarika fa efa maherin’ny dimampolo amin’izao fotoana izao ny ODOF tafatsangana. Saika efa manana izany avokoa ny faritra tsirairay. Anisan’ny tanjona amin’ity fiaraha-miasa ity ny hampitombo sy hampiroborobo azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires