• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Antananarivo : Nanolotra vahaolana vonjimaika momba ny famatsian-drano ny orinasa JIRAMA

23/09/2024 09:13 © Moov

Nitokona sy nanao fihetsiketsehana indray ny mponin’Antananarivo toy ny teny Anjanahary ny faran’ny herinandro teo noho ny tsy fisian-drano. Efa andro maromaro izy ireo raha ny fanazavana no tsy afaka nisitraka rano fisotro madio. Tao anatin’izany dia nidina ifotony nijery ny olana ny avy ao amin’ny Ministeran’ny rano, fidiovana sy ny fanadioavana (MEAH). Nanolotra vahaolana vonjimaika indray izy ireo taorian’izany izay tapaka niarahana tamin’ny JIRAMA.

Fandaminana vaovao

Nanatanteraka fivoriana ireo tompon’andraikitra tao amin’ity orinasam-panjakana ity ny sabotsy lasa teo ka tamin’izany no namoahana ny fandaminana vaovao. Tao anatin’izany ny nandaminana ny fandaharam-potoana hanatsarana ny famatsiana rano amin’ny fokontany samihafa. Eo ihany koa ny fanamboarana ny laharam-pahamehana vaovao. Anisan’ny novaina ho laharam-pahamehana ny teny Anjanahary izay nitarika ny fitokonana tamin’iny andro iny. « Vahaolana vonjimaika ihany aloha ity notanterahina ity. Etsy andaniny dia efa misy ny fepetra hanatsarana ny famatsian-drano ao anatin’ny fotoana fohy mba hialana amin’ny zava-nitranga toy ireny fitokonana ireny », hoy ny Talen’ny Kabinetran’ny JIRAMA, Irinah Ramboarisoa. Nanamarika ihany koa ny JIRAMA fa misy tsy fahampiana ny fiara lehibe mpitatitra rano ka mbola andalam-pikarohana vahaolana amin’izany ihany koa ny orinasa amin’izao fotoana izao.

Faritra mena

Ambanilalana Itaosy, Ankatso, Andraisoro, Fort-Duchesne, Ambohitrarahaba, Sabotsy Namehana sy ireo faritra maro hafa dia anisan’ny miaina izany olana izany avokoa. Araka izany, tsy ho an’Anjanahary irery io vahaolana io fa ho an’ireo faritra mena rehetra manerana an’Antananarivo. Manome toky ihany koa izy ireo, hoy ny orinasa JIRAMA, fa hiantoka ny fahazoana rano ho an’ny rehetra. Etsy ankilany dia mbola nisy ihany koa ny fifampiresahana teo amin’ny fokontany mba hamerenana ny vidin-drano ho 50 ariary raha lasa 100 ariary izany.

Lire la suite

Articles Similaires